Zoma 5 Janoary 2024

Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala. Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia… araka ny famindrampo… no namonjeny antsika. Titosy 3:3-5

 

Inona no nanova ny fiainanao ?

„Nipetraka manodidina latabatra izahay, mpianatra enina sy mpampianatra roa. Kristiana avokoa izy ireo, afa-tsy izaho. Nanontany azy ireo aho hoe : „Inona moa no nanova ny fiainanareo ? Nahoana ianareo no tena hafa noho ny sasany ?” Nibanjina ahy mahitsy ilay tovovavy nametrahako izany fanontaniana izany ary nanonona teny roa hoe : „Jesosy Kristy”. Namaly avy hatrany aho :

— Avelao any ireny rediredy momba ny fivavahana ireny e !

— Izaho tsy niteny hoe „ny fivavahana”, hoy izy namaly, fa hoe : „Jesosy Kristy”.

Nihaika ahy ireo niresaka tamiko hoe diniho ny fahamarinan’ny Filazantsara. Nekeko izany, ary ny tao an-tsaiko dia ny hanohitra azy ireo. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana anefa aho dia tonga tamin’ny fehin-kevitra hoe tena araka izay nambaran’ny Filazantsara tokoa Jesosy Kristy. Izy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga olona mba hiaina miaraka amintsika sy ho faty eo amin’ny hazofijaliana noho ny fahotantsika. Nitsangana velona indray Izy telo andro taorianan’izany, ary velona omem-boninahitra any an-danitra ankehitriny. Ary mahay manova ny fiainantsika Izy. Nandray an’i Jesosy aho, ary Izy ankehitriny no ivon’ny fiainako.

Fa inona àry no niova ? Ny fisafotofotoako aloha : nilaiko mandrakariva ny nanao zavatra. Volana vitsitsy taorianan’ny nanapahako hevitra ho an’i Kristy dia nisy fiadanam-po vaovao nanomboka nitombo tato anatiko. Manaraka izany, ny toetra ratsiko : mora „nirehidrehitra” aho teo aloha, tsy fantatro akory hoe nahoana. Ary farany, ny fankahalana : halako ny raiko satria mpidoroka.

Taorianan’ny fanapahan-kevitro hanolo-tena ho an’i Kristy, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nisy fitiavana avy amin’Andriamanitra nitsofoka teo amin’ny fiainako, fitiavana tena natanjaka, hany ka vitako ny nijery manatrika ny raiko sy niteny taminy hoe : Dada a, tiako ianao.”

Josh McDowell