Zoma 29 Desambra 2023

Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona ; koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho. Isaia 44:22

 

Fifanakalozana

— Ry Andrew malala, ny Tompo Jesosy dia tia anao amina fitiavana mandrakizay. Ny zavatra voalohany nataony mba hitaomana anao hanatona Azy, dia Izy maty ho anao. Teo amin’ny hazofijaliana Izy dia nisolo toerana anao, mba haha voafafa ireo fahotanao. Ianao ve efa nangataka an’i Jesosy mba hanjary Mpamonjinao ?

Ny valinteniny, taona maro tatỳ aoriana :

— Indray hariva, niady hevitra tamina namana kristiana iray aho no tonga saina fa nisy rindrina nanasaraka ahy tamin’Andriamanitra. Dia nivavaka aho hoe : „Tompo ô, misehoa amiko Ianao, dia hino aho”. Tsy nisy na inona na inona nitranga. Kivy aho, ka nanova tampoka ny vavaka nataoko : „Tompo ô, inona no manakana ahy tsy hahafantatra Anao ?”

Nosokafan’Andriamanitra ny masoko, hahita izay nanasaraka ahy taminy : ny zava-maharikoriko teo amin’ny fiainako, ireo laingako, ireo famitahako, ny fijangajangako, ny herisetrako, ny avonavoko, ireo fiankinan-dohako amina zava-manimba, ny hamafisam-poko manontolo. Nieritreritra ireo olona noratraiko aho. Dia niseho tamiko tahaka tendrombohitra tsy hay ihoarana ireo fahotako. Tsiravina aho ary nifokofoko. „Tompo ô, mbola misy fanantenana ihany ve ny amiko, amin’ireo fahotana rehetra ato anatiko ireo ?”

Tamin’io fotoana io Andriamanitra dia namaly ahy mivantana tamin’ny Soratra Masina : „Raha miaiky ny fahotanao ianao, ry Andrew, dia mahatoky sy marina Aho, ka mamela ny fahotanao sy manadio anao ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (jereo 1 Jaona 1:9). Nanomboka niaiky ny fahotako taminy aho, arakaraka ny niverenan’ireo tao an-tsaiko. Naharitra adiny roa mahery izany. Dia tsapako ho afaka ny tenako, tena afaka. Toa tsara tarehy kokoa ny fahitako ilay tendrombohitra sy ny voary. Tena kanto. „Misaotra, ry Tompo ! Mba tiako holazaina amin’ny olona rehetra izay nataonao ho ahy”.

(namboarina avy amina lahasoratr’i Andrew Palau)