Alakamisy 28 Desambra 2023

Namaly Natanaela ka nanao hoe : Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra. Jaona 1:49

Hoy izy (Marta) taminy : Eny, Tompoko ; mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao. Jaona 11:27

Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20

 

Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra

Ireto andalana notsoahina tao amin’ny Baiboly ireto dia mampiharihary ny maha Andriamanitra an’i Jesosy Kristy :

— „Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra” (Jaona 1:1). Ny Tompo, antsoina eto hoe „ny Teny”, dia efa nisy tamin’ny fotoana rehetra, ary miavaka amin’ny Ray, nefa iray aminy : „Izaho sy ny Ray dia iray ihany” (Jaona 10:30).

— „Jehovah nilaza tamiko hoe : Zanako Ianao, Izaho niteraka Anao androany” (Salamo 2:7). Manampy ny fifandraisana mandrakizay efa teo amin’ny Ray sy ny Zanaka, dia misy fifandraisana vaovao eo amin’i Jesosy Olona teraka teto an-tany sy Andriamanitra Ray :

— Talohan’ny hahaterahany, dia hoy ny anjely tamin’i Maria : „Ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra” (Lioka 1:35).

— Nony natao batisa Izy, dia nisy feo avy any an-danitra nanambara hoe : „Ity no Zanako malalako, Izay sitrako” (Matio 3:17).

— Tatỳ aoriana dia re indray io feo io, tao an-tendrombohitra niovany tarehy : „Ity no Zanako malalako, Izay sitrako” (Matio 17:5).

— Teo akaikin’ny hazofijaliana, rehefa niala aina Jesosy ka niantso tamin’ny feo mahery, dia nanambara ilay kapiteny romana hoe : „Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io” (Marka 15:37, 39).

— Ny nitsanganany velona indray koa dia manaporofo ny maha Andriamanitra Azy : Jesosy dia „naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra, araka ny fanahin’ny fahamasinana, tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty” (Romana 1:4).

— Farany, ny toerany ao amin’ny voninahitra dia ny toeran’ny Zanak’Andriamanitra, eo an-tanan-kavanan’ny Ray (Hebreo 1:3).