Alarobia 27 Desambra 2023

Fa maro ny zavatra mahabe ny zava-poana, koa inona no soa azon’ny olona ? Mpitoriteny 6:11

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah, amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah. Salamo 27:4

 

Zavatra iray

Misy zavatra iray fantatro, ka mahasambatra ahy : Teraka jamba aho, ary ankehitriny kosa, mahiratra ! Inona indray no hilaiko ankoatra izany ? Kristy no Mpamonjiko ! Tia Azy aho ary mitsaoka Azy ; amiko dia Izy no zavatra rehetra.

 

Manome ahy zavatra iray Izy, manome anjara tsara, Dia fotoam-pitoniana, irery miaraka aminy, Migoka ny teniny, mahita ny fijeriny… Amin’izany no anofanany ahy mba hamoa.

 

Eny, manao zavatra iray, mihazakazaka hanatratra ny tanjona ! Manadino ireo fisalasalako, ireo tahotro, ny lasako, Mampifantoka ny saiko aminy, amin’i Jesosy ! Kely dia kely ny heriko, nefa te hanampy ahy Izy.

 

Zavatra iray koa : miaina isanandro Ao aminy, ao an-tempoliny, mba hahita ny hatsarany, Hahafantatra ny voninahiny, higoka ny fitiavany… Izany no hokatsahiko, izany no hezahiko fatratra.
Jean-Michel Bard

Afaka mandany ny fiainana isika, hikatsaka zavatra maro tsy hisy tavela rehefa any an-danitra. Ilay Andriamanitsika, tamin’ny nosoratan’ny apostoly Paoly, dia mampiseho lalana hafa antsika : „Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza… dia hevero izany. Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko ; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana” (Filipiana 4:8-9).