Talata 26 Desambra 2023

Nihary volafotsy sy volamena koa aho… ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ny masoandro. Mpitoriteny 2:8, 11

Ny lalànan’ny vavanao (ny Teninao) no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo. Salamo 119:72

 

Harena ho an’ny mpino

Inona, aminao, no harena sarobidy indrindra ? Ho an’ny maro, ato amin’izao fiarahamonina fatra-pikatsaka ny zavatry ny tany izao, dia ny vola ; ho an’ny hafa indray, dia ny fahafinaretan’ny fiainana, ny fanatanjahantena, ny kolontsaina, ny fizahan-tany, sns. Samy mahalala anefa ny tsirairay fa mihelina ireny rehetra ireny, ireny lazaina ho harena ireny !

Ny Baiboly dia manasa antsika tsy hiankina amin’ireny harena tsy azo antoka ireny : „Aza manasa-tena hanankarena, aza entina amin’izany ny fahendrenao. Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy ?” (Ohabolana 23:4-5).

Nefa misy kosa harena tsy mety simba, ny lanjany dia maharitra mandrakizay. Angamba mbola tsy fantatrao ankehitriny, fa Jesosy no tena harenan’ny kristiana. Izy no mampahafantatra antsika an’Andriamanitra. „Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” (Jaona 1:18). Tonga Izy, Olona lavorary, hanafaka ny olona, tamin’ny nanolorany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana : Izy dia „natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4:25). Tombony lehibe ho antsika ny mahafantatra ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika (Romana 6:23). Talohan’ny nandaozany ny mpianany, dia niteny Jesosy hoe : „Minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko, misy fonenana maro… handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:1-3).