Alatsinainy 25 Desambra 2023

Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ! Jaona 1:29

 

Ny sofin’i Kristy (2)

Omaly isika dia nandinika filazana roa ny sofin’i Kristy, tamin’ny nahatongavany ho olona („ny sofiko nataonao malady”) sy tao amin’ny fiainam-piombonana sy vavaka („ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina… ny sofiko”). Lahatsoratra fahatelo ao amin’ny Testamenta Taloha no mampahatsiaro ny fijaliany sy ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Fahiny, teo amin’ny Hebreo, raha nisy olona nanjary mpanompo, dia afaka mandao ny tompony izy aorianan’ny enin-taona nanompoany azy. Na izany aza anefa, raha nanome vady azy ny tompony nandritra io fe-potoana io, dia tsy afaka manome fahafahana an’io vadiny io, ka tsy maintsy miala irery ilay mpanompo. Nefa nisy vahaolana hafa : „Raha milaza marimarina ilay andevo ka manao hoe : Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko sy ny zanako, ka tsy te ho afaka aho, dia hoentin’ny tompony ho eo anatrehan’Andriamanitra izy, ary dia hoentiny ho eo amin’ny varavarana, na ho eo amin’ny tolàmbaravarana, ka hotevehin’ny tompony amin’ny haolo ny sofiny ; dia hanompo azy mandrakizay izy” (Eksodosy 21:5-6).

Hitantsika taratra ao amin’io sofina notevehina teo amin’ny tolàmbaravarana io ny sorona nataon’i Jesosy Kristy. Noho ny fitiavany an’Andriamaniny (ny tompony), ny fiangonana (ny vadiny) ary isika tsirairay nino Azy (ny zanany), dia tsy vitan’ny hoe notevehina ny sofin’i Jesosy Kristy, fa natolony koa ny ainy ka nekeny ny hohomboana eo amin’ny hazofijaliana. Ho azony natao ny „niala ho afaka”, satria nanafaka Azy tsy ho voatery ho faty ny halavorarin’ny tenany sy fiainany. Nefa nahery kokoa ny fitiavany : latsaka ny rany, mba hanadio antsika ho afaka amin’ny fahotantsika, mba hanafaka antsika amin’ny fahandevozana sy hampiditra antsika ao amina fifandraisam-pitiavana aminy sy amin’ny Rainy.