Alahady 24 Desambra 2023

(Hoy Jesosy :) Marina Izay naniraka Ahy ; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao. Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy. Jaona 8:26-27

 

Ny sofin’i Kristy (1)

Lahatsoratra telo ao amin’ny Testamenta Taloha no miresaka momba ny sofin’i Kristy amina sarin-teny. Maneho dingana iray eo amin’ny fiainany ny tsirairay amin’ireo.

— Ny nahaterahany dia nambaran’ny Salamo 40:6-8 : „Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina, tsy mba sitrakao —ny sofiko nataonao malady- ; ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota, tsy mba nilainao ; dia hoy Izaho : Inty Aho tonga —ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy- ; ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako”. Ny teny hebreo dia be sary an’ohatra : „Ny sofiko nataonao malady” dia nadika hoe „Tena no namboarinao ho Ahy”, tamin’ny nandikana voalohany ny Testamenta Taloha ho amin’ny teny grika (antsoina hoe dikatenin’ny „Fitopolo”), nampiasain’ny mpanoratra ny epistily ho an’ny Hebreo (10:5). Ny Kristy, efa nambara sahady tao amin’ny bokin’ny Genesisy, dia niroso mba hamaha ny olana momba ny ota, izay tsy vitan’ny fanaovana sorona biby mihitsy ny namaha azy. Ary Andriamanitra „nampalady ny sofiny” tamin’ny namboarany Azy tao an-kibon’i Maria : tena olona tanteraka Izy.

— Ny filazana faharoa ny sofina dia mampahatsiaro ny fankatoavany, ny fiombonany amin’Andriamanitra, ny fiainam-bavaka nananany : „Ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay. Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra” (Isaia 50:4-5). Jesosy Kristy, nandritra ny fiainam-panompoany, dia nikolokolo mandrakariva fifandraisana akaiky tamin’Andriamanitra Rainy. Nifoha marainalinakoa Izy mba hivavaka (Marka 1:35). Ny ohatra nasehony dia mampirisika antsika hifoha amin’ny feon’ny Tenin’Andriamanitra sy ao anatin’ny vavaka.

(rahampitso ny tohiny sady farany)