Asabotsy 23 Desambra 2023

Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika ; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana. Isaia 9:5

Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. Lioka 2:11

 

Noely

Ny fetin’ny Noely dia heverina ho fampahatsahivana ny nahaterahan’i Jesosy Kristy, izay tsy fantatra aza ny datin’andro. Tamin’ny taona 330 tany ho any no nanomboka nankalazaina tany Roma ny Noely, ny faha 25 desambra. Ny notadiavina dia ny hanolo ny fety jentilisa noho ilay andro fohy indrindra amin’ny taona : nankalazaina tamin’izany, tao amin’ny Fanjakana romana, ny „fahaterahan’ny masoandro indray” rehefa nanomboka nihalava ny andro. Rehefa miresaka ny nahatongavan’i Jesosy ny evanjelista Lioka, dia milaza „izay hiposahan’ny mazava avy any amin’ny avo ho antsika”. Izany no nahatonga ny fifangaroan’io fetin’ny masoandro io amin’ny nahaterahan’i Jesosy, Izay tonga hanazava ny alintsika.

Marina fa Jesosy no fahazavan’izao tontolo izao (Jaona 8:12). Izy mihitsy no nilaza izany. Nefa tsy manana izany toetra izany ny fetin’ny Noely napetraky ny olona, satria tsy voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ho ana kristiana maro, ny Noely dia mitoetra ho fotoana manokana ankalazana ny nahaterahan’i Jesosy Mpamonjy ; nefa kosa ny olona nandray Azy ho Tompo sy mino fa maty sy nitsangana velona indray Izy, dia afaka mahatsiaro mandavan-taona Azy sy ireny zava-nitranga mahatalanjona ireny. Izany dia mameno fifaliana sy fankasitrahana azy, ary manosika azy hidera lalandava. Tsaroany tsy tapaka ilay zava-nitranga tokana aman-tany hoe : Andriamanitra niseho teto amin’izao tontolo izao. Naka ny endrika Ankizy kely Izy. Efa nambara 700 taona mialoha ny hahatongavany eto anivon’ny olona : „Indro, ny virjina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela, izany hoe raha adika : Amintsika Andriamanitra” (Matio 1:23 ; Isaia 7:14).