Zoma 22 Desambra 2023

Izy (Jesosy)… nandohalika ka nivavaka hoe : Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity… Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy. Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa. Lioka 22:41-44

 

Andriamanitra dia hitan’ny anjely (2)

Mbola niditra an-tsehatra ihany koa ny anjely, teo amin’ny faramparan’ny lalan’i Jesosy tetỳ an-tany :

— Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana dia nameno tebiteby Azy ny fahatsinjovany izay niandry Azy, ka naniraka anjely Andriamanitra hampahery Azy.

— Maty Jesosy, napetraka tao anaty fasana iray ny fatiny, ary nisy vato lehibe nanampina ny fidirana ao. Ny anjely no vavolombelona voalohany nahita ny nitsanganany velona indray. Nisy anjely iray nanakodia ny vato ary nipetraka teo amboniny. Nambarany tamin’ireo vehivavy raiki-tahotra fa tsy ao intsony Jesosy, fa efa nitsangana velona indray (Matio 28:2-7). Taoriana kelin’izany, i Maria Magdalena, izay tavela irery teo amin’ny fasana, dia nitsirika ny tao anatiny, ka nahita anjely roa „nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra” (Jaona 20:12). Tsy tao am-pasana intsony ny fatin’i Jesosy.

— Vao niakatra any an-danitra, tao anaty rahona, Jesosy, ka tsy hitan’ny mpianatra intsony. Anjely roa niendrika lehilahy niakanjo fotsy no nilaza tamin’izy ireo fa Jesosy dia mbola hiverina, tahaka ny niakarany ihany (Asan’ny Apostoly 1:10-11).

Ny anjely izany dia teo mandrakariva, taloha sy taorianan’ny asa fanompoan’i Jesosy ampahibemaso. Teo izy ireo, avy any an-danitra, tahaka vavolombelona. Ambaran’ny apostoly Petera antsika fa tian’izy ireo „hodinihina” (1 Petera 1:12) ny zava-mahatalanjona momba ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra nanaraka izany. Nefa ny olona, fa tsy ny anjely, no mahazo tombony amin’ny nahatonga tetỳ an-tany an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, sy amin’ny asam-pamonjena notontosainy teo amin’ny hazofijaliana. Isika ve mba misaintsaina izany ?