Alakamisy 21 Desambra 2023

Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ny nofo… [ary] hitan’ny anjely. 1 Timoty 3:16

(Hoy ny anjely tamin’ireo mpiandry ondry :) Ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona. Ary nisy anjely marobe avy any an-danitra, niseho tampoka niaraka tamin’ilay anjely teo ka nidera an’Andriamanitra. Lioka 2:10-14

 

Andriamanitra dia hitan’ny anjely (1)

Andriamanitra dia tsy hita maso, satria fanahy (Jaona 4:24). Manompo Azy ny anjely. Tamin’ny andro nahaterahan’i Jesosy tany Betlehema, dia teo izy ireo. Nanomboka hatreo, Andriamanitra dia hita maso tao amin’i Jesosy, Izay „endrik’Ilay Andriamanitra tsy hita” (Kolosiana 1:15). Nibanjina io zava-miafina lehibe io ny anjely, ary nitsaoka. Teo izy ireo tamina fotoana samihafa :

— Ny anjely Gabriela no nomen’Andriamanitra ny haja hanambara amin’i Maria virjina hoe izy dia hiteraka Zazalahy, izay hantsoina hoe „Zanaky ny Avo Indrindra” sy „Zanak’Andriamanitra” (Lioka 4:32-35).

— Nisy anjely nirahina nankany amin’i Josefa, fofombadin’i Maria, mba hampatoky azy sy hanambara aminy ny momba io Zaza io (Matio 1:20-24).

— Taorianan’ny nahaterahan’i Jesosy dia mbola anjely koa no nanambara tamin’ny mpiandry ondry ny nahaterahan’ny „Mpamonjy… dia Kristy Tompo”. Avy eo io anjely io dia niaraka tamina „anjely marobe avy any an-danitra… nidera an’Andriamanitra” (Lioka 2:11-13).

— Anjely no nirahin’Andriamanitra hilaza amin’i Josefa handositra, satria notadiavin’i Heroda mpanjaka hovonoina Ilay tena Mpanjakan’ny Israely. Tatỳ aoriana Andriamanitra dia mbola naniraka anjely indray, hilaza amin’i Josefa fa efa lasa ny loza (Matio 2:13, 19).

— Talohan’ny nanombohan’i Jesosy ny asa fanompoany ampahibemaso, dia nalaina fanahy tany an-taniefitra Izy nandritra ny efapolo andro. Niaraka tamin’ny bibidia Izy, ary nanompo Azy ny anjely (Marka 1:13).

(rahampitso ny tohiny sady farany)