Alarobia 20 Desambra 2023

Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao ; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao ; ka mandehana any amin’izay… jeren’ny masonao ; nefa aoka ho fantatrao fa hoentin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany. Mpitoriteny 11:9

 

Fodiana nahitan-doza

„Asabotsy, tamin’ny roa ora maraina, nandeha mafy loatra ity fiara nitondra tanora enina, teo anelanelan’ny 16 sy 18 taona. Tsy voafehy tsara ny fiolanana iray, ka nivadika ny fiara ary nirehitra. Vokatra mavesatra noho izany : efatra no maty ary roa naratra mafy.”

Tsy lavitra ny loza, rehefa misy zavatra maromaro tafaraka : zava-pisotro mahamamo, fitiavana handeha mafy, filana fisintahana, ary angamba aza, fitiavana hanandran-doza…

Tsy mora ny manavaka ireo antony. Nefa kosa ny tsirairay dia afaka manontany tena momba ireo tondrozotra nampitainy ho an’ny taranaka mandimby azy, izay matetika navela hisy fahabangana ao an-tsaina sy ao am-po, tsy manana soridalana matotra ara-pitondrantena, ary voataona fatratra amin’ny fisarihan’ireo „andriamanitra” isan-karazany manetsika ny fiarahamonina ankehitriny.

Ny tsirairay anefa dia mila fitiavana marina, mangetaheta fahasambarana sy fanantenana ! Aiza no hahitana ny fahafehezantena ? ahoana no hanasoritana lalana ho an’ireo firehitry ny tena ao anatina tontolo manetsika „ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao” (1 Jaona 2:16) ? tontolo mitondra mankamin’ny haratsiam-pitondrantena sy ny herisetra manimba.

Ny apostoly Paoly dia nitory ny Filazantsara koa tamina tanora. Nahita antom-pahavelomana mitombina izy ireo, na dia tao anatin’ny fijaliana aza : „Ny nialanareo tamin’ny sampy, hiverenana amin’Andriamanitra, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy” (1 Tesaloniana 1:9-10).

Mbola fotoana izao, hiverenana amin’Andriamanitra araka izany. „Mandalo izao fiainana izao sy ny filany ; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay” (1 Jaona 2:17).