Talata 19 Desambra 2023

Fa Ianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo ; nampandry ahy feizay Ianao, fony aho mbola nampinonoin’ny reniko. Salamo 22:9

Rehefa tonga ny fotoanandro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy. Galatiana 4:4

 

Ilay zazakely sy ny reniny

Ao amin’ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy nosoratan’i Matio, dia manaitra ny saina ny fiverenana fiteny iray indimy :

„Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra. Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny” (Matio 2:10-11).

„Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao ; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta” (2:13-14).

„Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tany Egypta tamin’ny nofy ka nanao hoe : Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ny tanin’ny Israely ; fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely. Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin’ny tanin’ny Israely” (2:19-21).

Mampihetsi-po ny mahita an’i Jesosy, tao anatin’ny harefony araka ny maha zaza Azy, niankina tanteraka tamin’ny reniny ary nikambana taminy tao amin’ny dingana rehetra teo amin’ny fiantombohan’ny fiainany ! Tsy nisy zavatra afaka natao raha tsy teo ny reniny. Ary na dia Ilay Zanak’Andriamanitra masina aza no ifantohan’ny tantara manontolo, dia teo hatrany ny reniny, tamin’ny fotoana rehetra, ary nikarakara Azy. Jesosy Kristy Tompo dia nateraky ny vehivavy, ary ny fiankinany fony Izy Zaza menavava dia mampiharihary ny fanetrentenany : „Nofoanany ny tenany tamin’ny… nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona” (Filipiana 2:7).

Banjinintsika ny zava-miafina momba an’i Kristy, Izay lehibe aoka izany sy feno voninahitra, nefa dia nanjary nanetry tena izaitsizy sy niankina.