Alatsinainy 18 Desambra 2023

Aza manahy ny amin’ny ainareo… fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany. Kanefa katsaho ny fanjakany ; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany. Lioka 12:22, 31

Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7

 

Fantatry ny Rainao fa ilainao izany

Renim-pianakaviana niteraka zaza dimy mianadahy aho, ary nandalo fotoan-tsarotra taorianan’ny nahaterahan’ny zanakay farany, satria nitomany be foana izy, indrindra ny alina. Afaka volana vitsivitsy aho dia lany hery ; ary taoriana-na alina iray tena nandreraka dia kivy aho, ka nandoatra ny foko : „Tompo ô, tsy zakako intsony, nahoana no mafy loatra toy izao ? Tena tiako tokoa ny zanako, nefa tena manasaro-javatra ny tsy fahampian-torimaso…”

Ho valin’ny vavaka nataoko, dia niverina tato an-tsaiko ilay tenin’i Jesosy hoe : ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany. Naveriko novakina io andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Lioka io, izay itaoman’i Jesosy ny mpianatra hatoky an’Andriamanitra momba ny hanina sy ny fitafiana. Nobeazina tao amina fianakaviana nanan-katao aho, ka tsy mba niaina mihitsy io toejavatra io. Dia tsapako fa mihatra ihany koa amin’izay rehetra ilain’ny vatantsika io teny io, ka anisan’izany ny torimaso. Niteny manokana tamiko Andriamanitra, nilaza hoe : Rainao Aho, mikarakara anao Aho. Fantatro fa mila torimaso ianao, matokia Ahy, aza manahy intsony.

Nikasika ny foko Andriamanitra. Nasehony ahy fa nikarakara ahy Izy nandritra ireo volana sarotra nolalovako ireo, ary nanome ahy matetika fitsaharana tamina fotoana tsy nampoizina. Takatro fa vao mainka nanasarotra ny toejavatra ny fanahiako ary tokony hamela izany eo amin’Andriamanitra aho, mba hiantehitra tanteraka aminy. Hanome ahy izay ilaiko Izy, araka ny fombany, amin’ny fotoana voatendriny, satria fantany tsara aoka izany aho.

Tsy nihatsara vetivety tsy akory ny alinay, nefa tony aho, ary nanohana ahy nandritra ireo volana nanaraka ny fampanantenan’ny Raiko any an-danitra.