Alahady 17 Desambra 2023

Ary ny finoana no fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hebreo 11:1

 

Solomaso ijerena ny hoavy

„Arakaraka ny ampanakekezan’ny masolavitra lehibe (télescope), hono, no maha tranainy izay hita”. Angamba aza ho afaka tonga hatrany amin’ny fiandohan’izao tontolo izao mihitsy…

Ny mpino kosa dia manana „masolavitra lehibe” ahafahany mahita ny hoavy. Nisy olon’ny finoana nahita izay nampanantenaina (Hebreo 11:13) : Abrahama, ohatra, dia ravoravo nahatsinjo fa hahita ny andro hiavian’ny Tompo (Jaona 8:56). Io patriarka io, niaina tahaka mpivahiny mandalo eto an-tany, dia niandry ny tanànan’Andriamanitra (Hebreo 11:10).

Isika ihany koa dia nomen’Andriamanitra fampanantenana momba ny hoavy. „Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro… Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:2-3). Ny finoana, izay miantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ahafahana mahita hoe efa tanteraka sahady ireo fampanantenany.

Nefa hay atao dieny ankehitriny ve ny miditra ao an-tranon’Andriamanitra, mba hahita an’i Jesosy amin’ny alalan’ny finoana ? Eny, ny Tompo Jesosy dia mampanantena ny mpino eto an-tany hoe : „Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18:20). Tena misy io fanatrehan’i Jesosy io, ho an’ireo rehetra mivory mankeo aminy. Dia afaka miteny ny tsirairay, toy ny mpianatra tamin’i Tomasy fahiny, hoe : „Efa nahita ny Tompo izahay”.

Tsy teo i Tomasy, tsy mba nanatrika io fihaonana voalohany io. Aoka isika hino ny fampanantenan’ny Tompontsika ! ary tsy ho diso ireo fotoana hivoriana manodidina Azy.