Asabotsy 16 Desambra 2023

Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8-9

 

Fanantenana manjavozavo sa fanantenana velona

„Miaiky ireo fahadisoako sy ireo fahalemeko aho ; samy manana ny azy ny tsirairay, hoy ny fiteny, nefa miezaka hanao tsara aho. Miaina am-pahitsiana aho, manao ny tsara araka izay tratrako, misoroka mba tsy hanao ratsy amin’ny manodidina ahy ; ary raha nanota aho, dia mangataka famelana amin’Ilay Andriamanitra tsara. Afaka manantena aho, amin’izany, fa handray ahy any am-paradisa Izy.”

Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mihevitra isika fa ho afaka manantena ho any an-danitra, noho ireo asa ataontsika, ny fitondrantenantsika marina, angamba mendri-piderana, nefa tsy afaka hahatratra ny fahamarinan’Andriamanitra, satria tsy misy olona hanjary marina eo anatrehan’Andriamanitra noho ny fanatanterahany ny Lalàna (Romana 3:20). Tsy vitan’ny hoe tsy ho fantatsika na oviana na oviana raha nahatratra ny fahamarinan’Andriamanitra isika, fa tsy maintsy afoy koa izay rehetra mety ho fanantenana hanamarina ny tena eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny ezaka manokana ataontsika. Io fanantenana io dia miorina eo ambony tany mandrevo, eo ambony fasiky ny fahatsapana sy ny hevitra.

Tsia, zavatra hafa ankoatra izay fanantenana manjavozavo ny famindrampon’Andriamanitra no ilaintsika ; zavatra hafa ankoatra ny hatsaran-toe-panahy sy fahitsina faran’izay hentitra ; zavatra hafa ankoatra ny endrika ivelan’ny fivavahana, mba hanantenana mafy ho any an-danitra.

Koa inona àry no ilaina ? Alohan’ny zavatra rehetra, dia ny mihaino izay lazain’ny Baiboly, izay lazain’Andriamanitra, ary avy eo ny manoa izany. Izay no hahitana ny fanorenana mafy itoerana fanantenana tsy mamitaka, mahatonga ho amina zavamisy velona, ary azo antoka fa efa ananana dieny ankehitriny.

Henoy ny fanambaran’ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany izay tanisaina eo am-piandohan’ity takila ity, dia hahita fiadanana ao anaty ianao, ny fiadanan’Andriamanitra, izay omen’i Jesosy ho mandrakizay an’izay mino Azy.