Zoma 15 Desambra 2023

Izy (Jesosy) dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra. Filipiana 2:8-10

 

Velona ny Mpanavotra ahy (3)

Ny „Ilay Mesia”, ilay tantaram-pivavahana fanta-daza indrindra nataon’i Haendel, dia andinin-tSoratra Masina mifanesy hiraina antoko-mpihira sy mpiangaly irery, miaraka amina redon-javamaneno. Misy fizarana telo ao amin’ilay sanganasa :

— 1. Ny fanambarana ny hahatongavan’i Kristy sy ny hahaterahany :

„Indro, hanana anaka ny virjina ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataony hoe Imanoela (Andriamanitra amintsika)” (Isaia 7:14).

„Indro ny Mpanjakanao, avy ho anao” (Zakaria 9:9).

„Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladiana ny sofin’ny marenina” (Isaia 35:5).

— 2. Ireo fijalian’i Kristy, ny nahafatesany ary ny nitsanganany velona indray :

„Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29).

„Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, sady nivesatra ny fahoriantsika” (Isaia 53:4).

„Tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka amin’ny lavaka Ianao” (Salamo 16:10).

— 3. Ny famonjena sy ny fandresena azon’i Kristy :

„Fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy” (1 Korintiana 15:20).

„Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ?” (Romana 8:31).

„Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana” (Apokalypsy 5:13).

(tapitra)