Alakamisy 14 Desambra 2023

Ny teninao no fahamarinana. Jaona 17:17

Fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17

Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. Jaona 8:32

 

Inona no atao hoe marina ?

Ao amin’ny fiarahamonina misy antsika dia matetika ny marina no miharoharo amin’ny hadisoana sy ny lainga. Irina ny hahafantatra ny marina, nefa raha manelingelina antsika ny marina, dia mianina amina „marina ampahany” isika. „Samy manana ny ataony hoe marina”, hoy ny sasany ; „marina atỳ alohan’ny tandavan-tendrombohitra Pyrénées, hadisoana any ambadika”, hoy ny Frantsay. Isika ve mba mametraka akory ny fanontanian’i Pontio Pilato an’i Jesosy hoe : „Inona no marina ?” (Jaona 18:38).

Ny Baiboly dia manolotra antsika ny atao hoe marina, amin’Andriamanitra. Izany dia ny Tenin’Andriamanitra, ny fahamarinana nentin’i Jesosy Kristy. Izay olona hazavain’io fahamarinana io, dia mahatsapa ny maha izy azy, izany hoe „maty” ao amin’ny fahadisoany sy ny fahotany (Efesiana 2:1).

Jesosy dia tonga nitondra ny fahasoavana sy ny fahamarinana :

Ny fahasoavana dia tia ny mpanota ary te hamela heloka izay miaiky ny fahadisoany sy mametraka ny fatokiany amin’ny asa nataon’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana.

Ny fahamarinana dia mampahatsiahy fa ny ota dia niditra teto amin’izao tontolo izao noho ny tsy fankatoavan’ny olona, ka araka izany dia mpanota ny olona.

Ny Baiboly dia tsy mampiseho antsika fotsiny ny fahamarinana momba ny toetra maha olombelona antsika, fa mampahafantatra antsika ihany koa izay marina eo amin’ny rehetra lafim-piainantsika. Ampahatsahivin’ny Baiboly antsika izay marina sy mahitsy araka an’Andriamanitra, dia „ny fahamarinan’ny teny mahatoky” (Ohabolana 22:21).

Hoy Jesosy : „Izao no nahaterahako, ary izao no niaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko” (Jaona 18:37).