Alarobia 13 Desambra 2023

Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao, hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Jaona 3:17

 

Ny tady fanavotana

Indray alina, tamin’ny taona 1907, dia nanakaiky ny morontsiraky ny Pays de Galles ilay sambo mandeha amin’ny etona „Netherland” ary rendrika. Afaka nilomano nanatona ny moron-drano ireo mpiasa tao an-tsambo. Nefa nangorohoro ireo tantsambo ireo, nahita fa nisy hantsambato avo mijidina nanakana azy ireo. Ahoana no hialana rehefa misondrotra ny ranomasina ? Raha tsy misy manampy izy ireo, dia tsy misy na inona na inona hantenaina. Tampoka teo dia nahita tady nihantona avy eny an-tampony izy ireo. Nianika tsirairay tamin’izany izy. Rehefa tonga teny ambonin’ny hantsana izy ireo, dia tsy nahita an’iza na iza. Tsy nisy trano na hazavana teny amin’ny manodidina lavitra.

Nony maraina dia nanazava tamin’izy ireo ny zava-miafin’io tady io ny mpiambina ny morontsiraka : herintaona talohan’izao izy dia nampiasa io tady io mba hampiakarana ny mpandeha tamina sambo iray tafahitsoka teo amin’ny fasika, ary hadinony teo ilay izy. Nampiasain’Andriamanitra izany fanadinoana tsotra izany mba hamonjeny olona rendrika hafa.

Io tady fanafahana nihantona teo amin’ny hantsambato io dia mampahatsiahy antsika fa efa nomanin’Andriamanitra hatry ny ela ny zavatra rehetra, mba hamonjeny ny olona. Miroso ho amin’ny fahaverezana ny olona rehetra, noho ny otany. Nefa Andriamanitra dia manatsotra ny tanany hamonjeny azy ireo sy mitondra azy am-pilaminana. Ny hoe mandray ny tanan’Andriamanitra, toy ny mandray io tady io, dia hoe mino ny fahasoavany atolony ny rehetra. Nirahin’Andriamanitra ho etỳ amin’izao tontolo izao ny Zanany, mba hiaritra ny famaizana noho ireo fahotantsika, sy hahazo ho antsika io fahasoavana io. Ny hoe mandray io fahasoavana io, misitraka izany maimaimpoana amin’ny alalan’ny finoana, dia hoe mahazo famonjena feno, izany hoe ny fiainana mandrakizay.