Talata 12 Desambra 2023

Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy (Jehovah)… Ny fitiavany sy ny famindrampony no nanavotany azy sy nivimbinany azy. Isaia 63:9

 

Olona tokana aman-tany

Ny fiainana dia ifandimbiasana fotoana maha faly sy vanimpotona maha ory. Ahoana no hiaraha-mitondra ny fahorian’ireo akaiky antsika, ny alahelo manjo azy ? Ahoana no fomba hanatonana azy ireo, hiresahana aminy ? Eo ambony farafarana hôpitaly ve ianao no iantefan’izao hafatra izao ? na koa vesarana fahadisoam-panantenana goavana, na adin-tsaina ara-pianakaviana, na alahelo mavesatra ? Marina fa matetika dia tena mampahery antsika ny fitiavana asehon’ireo namana sy olona akaiky antsika, rehefa iharan’ireny toejavatra sarotra ireny isika. Nefa Jesosy irery ihany, Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay tia antsika, no afaka miantsoroka sy manasitrana fahoriana sy fijaliana.

Niaiky izany ny mpiara-belona taminy : „Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika” (Matio 8:17). Ny andavanandrom-piainany dia ny nanasitrana ny fo torotoro sy namehy ny fery (Salamo 147:3). Mbola nihoatra lavitra noho izany aza ny fitiavany sy ny fangorahany : tamin’ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana, Jesosy dia namotika hatrany am-pakany ny loharanon’ny fijaliana sy ny fahafatesana, satria nanafaka antsika tamin’ny gejan’ny ota. Io fanafahana tanteraka io dia azo antoka ho an’izay rehetra manatona am-pinoana an’i Jesosy, Ilay Mpamonjy. Anio, na inona na inona zava-manahirana anao, dia miantso anao Izy hoe : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).

Ny fitsaharana sy ny fampiononana entin’i Jesosy dia ny fiadanan’ny fanahy, satria voafafa ny fahotantsika ; ny fatokiana, na ao anatin’ny fitsapana aza ; mbamin’ny fanatrehany feno antra, ary ny fahazoana antoka fa tsy ho ela isika dia hiaraka aminy ho mandrakizay any an-danitra, satria novonjeny ary Azy.