Alatsinainy 11 Desambra 2023

Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa. 1 Samoela 2:3

Fa eo imason’i Jehovah ny alehan’ny olona, ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa… Jehovah ihany no Mpandanja ny fanahy… Jehovah ihany no Mpandanja ny fo. Ohabolana 5:21 ; 16:2 ; 21:2

 

Tandremo, voalanja ianao !

Tao amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babylona no niseho ny tranga, 539 taona talohan’i Jesosy Kristy. Nivarahontsana ny olona tao an’efitrano fanasana. Nisy tanana nanoratra teny efatra teo amin’ny rindrina mantsy, hitan’ny mason’i Belsazara mpanjaka sy ny olona nasainy ka nampihorohoro azy ireo. Nantsoina i Daniela, mpanompon’Andriamanitra feno fahendrena avy amin’Andriamanitra, handika ireo teny efatra ireo. Ny fahatelo, „tekela”, dia midika hoe : „Efa voalanja tamin’ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja” (Daniela 5:27).

„Latsa-danja” : izany no didy nitsaran’Andriamanitra io mpanjaka nanao fahavetavetana io. Ary ny alina nanaraka dia nisy namono i Belsazara…

Voalanja izy, tsy tamina mizana mahazatra, fa tamin’ny mizanan’Andriamanitra, anombanany ny lanja ara-toe-panahy sy asan’ny olona. Andriamanitra dia „mandanja”, mitsara ireo lalantsika sy ireo asantsika (izay hita maso), nefa ihany koa ny fontsika sy ny saintsika (ny ao anatintsika lalina).

Ankehitriny, mandritra ny fiainantsika, dia „voalanja” avokoa isika. Andriamanitra dia manombana ny olona tsirairay miohatra amin’i Jesosy Zanany. Mety misy mihevitra ho afaka manao izay tiany hatao, na koa aza, mety mahafoy tena tanteraka ho an’ny hafa. Nefa raha tsy manatona an’i Jesosy izy mba hiaiky ny maha izy azy eo imason’Andriamanitra, izany hoe olona mpanota, dia tsy manana fifandraisana aminy. Tsy ny hanome voninahitra an’Andriamanitra no antom-pahavelomany ; „latsa-danja” loatra izy.

Nefa rano eran’ny kaopy fotsiny, omen’ny kristiana iray noho ny fitiavany an’i Jesosy, dia manana lanjany feno, eo anatrehan’Ilay Mpitsara ny tany manontolo (Matio 10:42).

Aorianan’ny fahafatesana isika dia tsy holanjaina. Hoy Jesosy : „Izay mino Azy dia tsy helohina ; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:18).