Alahady 10 Desambra 2023

Nefa tsy nety nihaino ireo. Isaia 28:12

Ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. Apokalypsy 22:17

 

Tsy mety manatona Ahy ianareo

Ny bokin’i Jeremia dia nosoratana 600 taona mahery talohan’i J.K. Nantsoin’Andriamanitra io mpaminany io hiteny amin’ny anarany, amin’ilay vahoaka nanana an’i Jerosalema ho renivohiny. Notaomin’i Jeremia ireo mpihaino azy hibebaka sy hitodika amin’Andriamanitra, saingy tsy nisy nihaino azy, ary maro aza ny te hamono azy ho faty. Tanteraka ireo fitsarana nambaran’i Jeremia, ka latsaka tao anaty fahoriana lehibe ny vahoaka.

Ela tatỳ aoriana dia Jesosy Kristy tenany mihitsy, teraka teo anivon’io vahoaka io, no hiteny toa an’i Jeremia hoe : „Tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana” (Jaona 5:40). Izy, Izay Andriamanitra, dia tonga olona mba hitondra ny famonjena ho an’ireo izay mandray Azy. Nitomany Izy noho ny toetran’izao tontolo izao sy ny fanandevozan’i Satana azy. Tsy sasatra Jesosy Kristy nanasitrana ireo izay nanatona Azy, sy nanamaivana ny fahorian’izy ireo. Nefa tsy nandray Azy ny olony, ary ny ankamaroany dia nioko nanohitra Azy mba hamono Azy eo amin’ny hazofijaliana.

Ankehitriny Andriamanitra dia mbola mampitandrina antsika. Amin’ny alalan’ny Filazantsara dia atolony ny fahasoavany, ho an’ireo rehetra manaiky sy mino fa Jesosy niaritra ny famaizana sahaza ny fahotan’izy ireo. Izany irery no fomba hahafahana miala tsy hiharan’ny fitsarana hiantonta amin’ireo tsy mino.

Manaiky handray io hafatra io ve ianao ? sa handà azy toy ny nataon’io vahoaka io fahiny ? Ny manao tsinontsinona ny hamorampon’Andriamanitra sy ny fanomezany ny Zanany malalany no faniratsirana lehibe indrindra hay atao amin’Andriamanitra, Izay nitia antsika aoka izany.