Asabotsy 9 Desambra 2023

Ny Tompo… hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny fikasan’ny fo ; dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra. 1 Korintiana 4:5

 

Tsara ny nataonao

— Naniry hanorina tempoly tsara tarehy ho an’Andriamaniny i Davida mpanjaka. Saingy i Solomona zanany, fa tsy izy, no nametrahan’Andriamanitra ny andraikitra hanatanteraka io fikasana io. Nankasitrahin’i Jehovah anefa ilay fikasan’i Davida, vokatry ny fitiavany an’Andriamanitra, Izay niteny taminy hoe : „Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an’ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany” (1 Mpanjaka 8:18).

— Tatỳ aoriana elabe dia nisy vehivavy vitsivitsy nanatrika ny nandevenana an’i Jesosy. Sabata anefa ny andro tamin’izay, ary araka ny lalàna dia tsy tokony handehandeha izy ireo. Vao tapitra ny Sabata dia nankany amin’ny fasana izy ireo, mba hanosotra menaka manitra ny fatin’i Jesosy. Saingy foana ny fasana, nitsangana velona indray Jesosy. Diso aoriana loatra… Dia tena tsy nilaina ve izany ny fihetsik’ireo vehivavy niraiki-po tamin’ny Tompo ireo ? Nilaina ka ! Tamin’izany izy ireo dia afaka nanambara tamin’ny mpianatra ny fitsanganan’ny Tompo velona indray. Nilaina ilay fikasana feno fitiavana, na tsy nahomby aza.

— Eo amin’ny fiainana kristiana dia misy fikasana sasantsasany tena tiantsika tanterahina, nefa toa tsy nahomby : lalan-davitra nandehanana hitsidika namana iray niditra hôpitaly, izay tsy ao an’efitranony akory, fanasana nofoanana tamin’ny minitra farany…

Indraindray isika dia sanganehana. Tsy nisy dikany ve ny nampiasantsika ny fotoana sy herintsika ? Mety nisy fahadisoantsika, nefa ny antony nanosika antsika kosa dia hitan’Ilay mandinika ny fo sy ny eritreritra. Fihetsika iray natao, izay toa tsy nilaina akory, dia misy lanjany ho an’izay mankasitraka ny antony nanosika tao anaty, fa tsy ny vokatra hita maso. „Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah ; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo” (1 Samoela 16:7).