Zoma 8 Desambra 2023

Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. 1 Korintiana 10:31

Efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. Matio 10:8

 

Velona ny Mpanavotra ahy (2)

Georg Friedrich Haendel dia teraka tany Alemaina tamin’ny taona 1685. Mbola kely izy dia efa hita ho kinga fatratra tamin’ny resaka mozika. Vetivety foana izy dia nalaza, nitety an’i Eoropa, ary niorim-ponenana tany Londra nony farany.

Ny sanganasany fanta-daza indrindra dia ny „Ilay Mesia”. Nandritra ny 40 taona izy dia nanoratra mozika feno fiandrianana ho ana mpanjaka, mpanjakavavy, olombaventy tany Angletera. Saingy nitodi-damosina azy tsikelikely ny olona, ary tojo tsy fahombiazana sy aretina izy.

Kivy i Haendel ka niresaka tamin’i Charles Jennens namany. Dia nandefa taminy andiana andinin-tSoratra Masina hasiana feon-kira i Jennens, nampiarahiny tamina taratasy hoe : „Ny Tompo no mandidy antsika hanao izany”. Nefa nandà aloha i Haendel… Na izany aza dia namaky andinin-tSoratra Masina vitsivitsy izy, ka babon’ny hafatra nampitain’ireo. Nihiaka hono izy hoe : „Eny, fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy ! Fifaliana ! Fifaliana ! Haleloia !” Dia nihidy tao an’efitranony izy ny 22 aogositra, ary tsy nivoaka tao raha tsy ny 14 septambra, efa reraka mafy : „Ilay Mesia”, sanganasany tsara indrindra, dia noforoniny tao anatin’ny 24 andro !

Ny vola voangona tamin’ny fampisehoana voalohany ny „Ilay Mesia” dia natokana ho an’ireo voafonja sy marary. Dia nitarika fampisehoana maherin’ny 30 i Haendel, ho an’ny Hôpitalin’ny ankizy tsy nisy mpiahy.

Matetika izy no nilaza ny faniriany ho faty amin’ny andro ahatsiarovan’ny tontolo kristiana manokana ireo fijalian’Ilay Mpanavotra azy. Tanteraka io faniriany io : maty izy tamin’ny asabotsin’ny Paska 1759, andro nitsingerenan’ny fampisehoana voalohany ny „Ilay Mesia”. Ny teniny farany dia hoe : „Tompo Jesosy ô, raiso ny fanahiko !”