Alakamisy 7 Desambra 2023

Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin’ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao. Asan’ny Apostoly 17:21

Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko ; fa Izy no antenaiko. Salamo 62:5

 

Inona no vaovao ?

Eo amin’ny fidirana ho ao amina tsenabe iray dia misy takela-dokambarotra mampiseho ireo zava-baovao farany momba ny lamaody, amin’ny teny hoe : „Inona no vaovao ?”. Rehefa tafaverina ao amin’ny toeram-piasany ny mpiasa iray tsy teo nandritra ny andro vitsivitsy, dia manontany hoe : „Inona no vaovao atao am-piasana ?” Rehefa mifanena amin’ny mpiara-monina amiko avy nividy gazety aho, dia manontany azy hoe : „Inona no vaovao ?”

Isika dia miaina mandrakariva ao am-piandrasana zava-baovao. Io fikatsahana io dia mihoatra noho ny halianana te hahafantatra, ary mitory filana lalina ao anatintsika aza. Isika, ara-pahariana, dia misokatra amin’izay velona, ary mitodika amin’ny hoavy. Tsy mahavita tena isika. Misy banga tsy hay fenoina ao anatintsika ao. Ireo fialamboly na fisakaizana dia mampanadino io banga io mandritra ny fotoana fohy, saingy tsy mameno azy.

Koa iza àry no afaka mameno io banga io ? Andriamanitra irery ihany. Izy no mahavita tena, ary isika voariny dia mila Azy. Raha zohina, ny zavatra andrasantsika dia Andriamanitra mihitsy. Inona no sakana manelanelana Azy amintsika ? Ny faniriantsika hivelona tsy misy Azy. Nefa Andriamanitra dia tonga nanatona antsika : „Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy” (2 Korintiana 5:19). Raha mino an’i Jesosy Kristy isika, dia voavela ireo fahotantsika, ary fifandraisana velona amin’Andriamanitra no mameno ny banga ao anatin’ny fontsika. Avy eo dia ho ao amin’Andriamanitra isanandro ny fiandrasantsika, ary ho azontsika raisina avy aminy ny zavatra rehetra. Izany dia mandra-pahatonga ny andro haha any an-danitra antsika, ka ho fenon’ny fitiavany isika. Tsy hiandry na inona na inona intsony isika amin’izay, fa ho feno mandrakizay !