Alarobia 6 Desambra 2023

Nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika. Galatiana 2:16

Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. Jaona 3:36

 

Ny finoana : inona moa izany ?

Hoy i Tolstoï : „Raha tsy manana finoana ny olona iray, dia eo amin’ny toerana mampidi-doza indrindra eto an-tany.” Nahafantatra ny lazain’ny Baiboly io mpanoratra io, hoe : „Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy (amin’Andriamanitra)” (Hebreo 11:6).

Ny hoe finoana dia fatokiana an’Andriamanitra, fatokiana tsotran’ny ankizy kely. Tokony hampieritreritra antsika ny fatokiany voajanahary an-dreniny sy rainy. Andriamanitra dia miteny amintsika, ka ampy ny mamaly hoe „eny” ny Tompo, Izay manasa antsika hoe : „Mankanesa atỳ amiko” (Matio 11:28), „minoa Ahy” (Jaona 14:1). Ny hoe finoana dia ny mino izay lazain’Andriamanitra sady mankatò ny Teniny.

Indray andro, nisafo ny andia-miaramilany nilahatra i Napoléon, no nitrifana ny soavaliny. Nitsambikina teo amin’ny lohan’ilay soavaly ity miaramila tsotra iray, ka nampijanona azy tamin’ny hazakazany.

— Misaotra, kapiteny ! hoy ny amperora, naneho ny fankasitrahany.

— Ao amin’ny rezimanta inona, Tompokolahy ? hoy ilay miaramila.

— Ao amin’ny mpiambina ahy manokana, hoy izy nihomehy sady lasa. Teo no ho eo ilay miaramila dia nanatona teo amin’ny manamboninahitra. Hoy ny iray tamin’ireo taminy :

— Haninona atỳ ianao ?

— Kapiteny ao amin’ny mpiambina manokan’ny amperora aho.

— Zo avy aiza izany ?

— Ny amperora no nilaza izany tamiko.

— Azafady, kapiteny, tsy nahalala izany aho !

Nohazonin’io miaramila io tamin’ny teniny ny amperora.

Ny hoe finoana dia ny mino ny tenin’Andriamanitra rehetra, sady mandray ao am-po sy eo amin’ny fiainana ny Zanany, dia ny Tompo Jesosy.