Talata 5 Desambra 2023

Tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina ; ary isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20

 

Tontolo tsaratsara kokoa

Iza no tsy nanonofy tontolo tsaratsara kokoa tsy misy tsy fahamarinana, tsy misy fahantrana na herisetra ?

Maro ny miasa ho amin’izany, manao ezaka be hamongorana ny fahantrana na hametrahana rivo-piadanana sy fifankahazoana eo amin’ny manodidina azy, ary eo amin’ny samy vahoaka mihitsy aza. Nefa arakaraka ny irosoan’ny tantaran’ny zanak’olombelona no mampandiso fanantenana kokoa hatrany ny vokatra azo ; indrisy ! fa tsy nandroso isika. Mba irina hiha akaiky ilay tontolo tsaratsara kokoa, nefa dia toa manalavitra. Na misongadina aza ny fandrosoan’ny siansa, dia aiza ho aiza isika eo amin’ny lafiny fiadanana sy fahamarinana ? Tsy mihena ny fifandirana sy ny tsy fandriampahalemana, ary tsy mitsaha-mitombo ny fahantrana vahoaka maro manontolo.

Roa arivo taona lasa izay, nolavin’izao tontolo izao ny fanafana natolotr’Andriamanitra naniraka an’i Jesosy Kristy. Izy no ho namaha ireo olan’ny zanak’olombelona. Nefa ny olona, noho ny hasiaham-pony, dia nanilika Azy tamin’ny nanomboany Azy teo amin’ny hazofijaliana. Noho izany izao tontolo izao dia tsy mitsahatra mikofokofoka ao anaty olana miha saro-bahana kokoa hatrany.

Ny Baiboly dia tsy manolotra vahaolana ankapobeny hamonjena ny zanak’olombelona, alohan’ireo fitsarana mampivarahontsana, nefa ankehitriny Andriamanitra dia manasa ny tsirairay manokana hitodika aminy, amin’ny fandraisana an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny. Izy amin’izany no hanova ny fon’ny tsirairay, amin’ny fanomezany aim-baovao azy.

Efa nifanena taminy ve ianao ?