Alatsinainy 4 Desambra 2023

Ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny (namponenin’Andriamanitra) ambonin’ny tany rehetra. Asan’ny Apostoly 17:26

Zarazaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. 1 Korintiana 12:4

 

Bohabohan-dranomandry mampitolagaga

Fony mbola zaza ilay Amerikana Wilson Bentley (1865-1931) dia sondriana tamin’ireo bohabohan-dranomandry. Nandramany nodinihina tamina faneho jorory (microscope) ireo, saingy nitsonika haingana loatra, ka tsy afaka nitahiry ny antsipiriany izy. Koa teo amin’ny faha-20 taonany izy dia nanan-kevitra hanamboatra efitrano fakana sary ho an’ny faneho jororiny, ka nahazo sary ny bohabohany voalohany. Tranga voalohany teto an-tany io vitany io. Tatỳ aoriana i Bentley dia nahavita sarina krisitalin-dranomandry mihoatra ny 5000. „Tsy mba misy roa mitovy ireo, hoy izy. Fahagagana hatsaran-tarehin-javatra faran’izay bitika ireo, tahaka voninkazon-dranomandry”.

Tokana ny loharano nipoiran’ny bohabohan-dranomandry rehetra, tahatahaka ny zanak’olombelona ihany, samy hafa aoka izany, nefa iray fiaviana, dia Andriamanitra.

Ny kristiana, ankoatra ny maha samy olona azy, dia miara-manana „famonjena iombonana” (Joda 3). Samy novonjen’i Jesosy Kristy izy rehetra, miara-mandrafitra vatana iray, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, nefa samy hafa avokoa. Ny olona dia te hanatratra ny maha iray amin’ny fitoviana. Andriamanitra kosa dia namorona ny maha iray ao amin’ny fahasamihafana. Ny tsy fitoviany —momba ireo fanomezana noraisina, ireo fironana, sns. — dia famantarana, fiteny mitaona antsika hiala amin’ny fiheverana ho mahavita tena samirery sy mitaona antsika hisokatra amin’ny hafa, mba hiara-misitraka amin’izy ireo ny fiombonana iantsoan’Andriamanitra antsika.

Ry kristiana, aza mifampialona na mifanao tsinontsinona isika, fa aoka hankasitraka ny Tompo noho ny fananantsika anabavy sy rahalahy ao amin’ny finoana. Ndao hiambina mba hahafahan’ny tsirairay mampamokatra ireo fanomezana ankinin’ny Tompo aminy.