Alahady 3 Desambra 2023

Ary nony tamin’ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany. Ary tamin’ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin’ny feo mahery ka nanao hoe : … Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao. Marka 15:33-34

 

Onony asehon’ny Tenin’Andriamanitra

Ny filazantsara efatra dia samy mitantara ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Matio sy Marka dia milaza hoe : „Ary rehefa voahombony tamin’ny hazofijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany” (Matio 27:35 ; Marka 15:24). Lioka sy Jaona dia manoratra hoe : „Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana” (Lioka 23:33 ; Jaona 19:18). Ny onon’ireo fitantarana ireo, araka ny fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra, dia manambara ny maha avy amin’Andriamanitra azy ireo. Tsy misy tsipiriany lazaina momba ny fomba namantsihan’ny miaramila ny tànana aman-tongotr’ireo olona ampijaliana, sy ny nametrahana azy ireo teo amin’ny hazofijaliana.

Ireo evanjelista dia milaza izay tian’Andriamanitra ho fantatsika, indrindra ireo teny misy akony tsy hita fetra notononin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Miteny amin’ny fieritreretana sy fon’ny tsirairay Andriamanitra. Manoloana ny hazofijaliana dia tsy fitsetserana no andrasan’Andriamanitra amintsika, fa ny fibebahana sy ny finoana. Jesosy dia nitaona ny vahoaka tsy hitomany Azy, fa hitomany ny tenan’izy ireo (Lioka 23:27-29). Ny hazofijaliana no fara fitsapana ny olona. Ny hazofijaliana dia nanaporofo ny toetrany nampamoy fo, manoloana ny fitiavana lavorarin’Andriamanitra, naseho tao amin’i Jesosy. Tsy iverenana intsony ny fahatsapana, nefa ny hazofijaliana no famonjena antsika ! Ndao hamaky tsara sy am-panajana ireo fitantarana ireo, ary hahatsiaro fa ny ota, ireo fahotako sy ireo fahotanao, no nitondra an’i Jesosy ho eo amin’ny hazofijaliana. Nanolotra ny tenany Izy noho ny fitiavany ny mpanota.

Ny Salamo 22, sy boky maro hafa ao amin’ny Baiboly, dia miresaka amintsika ny fangirifirian’i Jesosy tamin’Izy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana : „Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra ; tahaka ny savoka ny foko : miempo ato anatiko izy”… „Manindrona ny tongotro aman-tànako izy” (and 14, 16).