Asabotsy 2 Desambra 2023

Zava-poana ny zavatra rehetra ! Inona no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ny masoandro ? Mpitoriteny 1:2-3

(Hoy Jesosy :) Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. Jaona 14:27

 

Zava-poana ve ny zavatra rehetra ?

Ny Mpitoriteny, io boky ao amin’ny Baiboly io, dia manana hafatra manokana hampitaina. Raha atao jery maika ny fanambarany sasantsasany, dia toa hafahafa, ary toa mampamoy fo mihitsy aza. Ny mpanoratra azy dia mandinika ny zavatra araka ny maha izy azy ireny „atỳ ambanin’ny masoandro”. Manoritsoritra ny harefon’ny aina izy, mampirisika handini-tena, ary mamafa izay rehetra mety ho fianteherana amin’olombelona. Ampahatsahiviny antsika ny atao hoe fiainana tsy misy fifandraisana amin’Andriamanitra. Ny olombelona dia tsy afaka mahita ao amin’ny tenany samirery ireo loharanon-kery haha tena sambatra azy. Tsy afaka hihatsara izy, ary indrindra, tsy afaka handresy ny fahafatesana. Noho izany, izay rehetra katsahiny dia tsy inona fa famitaha-maso fotsiny, fitaky ny saina, fihazakazahana tsy mamokatra sy tsy ananana fanantenana. Ny mpanoratra ny Mpitoriteny dia manaisotra amin’ny olona ireo nofinofiny. Borahiny ny endrika ivelan’ny zavatra, mba hampisehoany amintsika ny zavamisy momba ireo zavatra ireo, dia „zava-poana sy misambo-drivotra foana” (2:26).

Io boky io dia tena araka ny toetrandro ankehitriny : mandraka izao dia ankamaroan’olona no miaina ho an’ny endrika ivelany, manaraka tsy am-piheverana ny fitambolimbolin’ny fampahalalana, haitao ary fahafinaretana. Izay fiarahamonina mandà an’Andriamanitra dia tsy mahay miteraka afa-tsy fahaverezan-tsaina, hasorenana, rikoriko… ary miafara amina endrika fanapotehan-tena.

Nefa ny Mpitoriteny dia manomana handraisana ny hafatry ny Testamenta Vaovao, izay mampahafantatra antsika ny fahasambarana rehefa kristiana. Ny Tompo Jesosy dia te hanova ny fiainantsika, te hanome antsika fifaliana mitohy sy feno, ary ao amin’Andriamanitra ny loharano sy tanjon’io fifaliana io. Na ny fahafatesana aza dia tsy manana intsony ilay lafiny mampihorohoro. Ny hoavy dia tsy zava-tsy fantatra intsony, fa ilay fanantenan’ny kristiana „ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany” (Filipiana 1:23).