Zoma 1 Desambra 2023

Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy… Ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Joba 19:25, 27

 

Velona ny Mpanavotra ahy (1)

Namoy ny zavatra rehetra i Joba : ny fananany, ny ankohonany, ny fahasalamany. „Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô”. Taorianan’io teny mahavaky fo io dia naneho faniriana iray izy : „Enga anie ka ho voasoratra ny teniko… eo amin’ny vatolampy mandrakizay” (Joba 19:21-24). Nivaly ny vavaka nataony : an’arivo taona maro atỳ aoriana dia mbola mamaky ny teniny isika.

Nefa inona moa no tian’i Joba nosoratana ho mandrakizay ? Ny fahoriany ve ? Angamba, nefa ny fahazoany antoka ihany koa : „Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy”. Joba dia nanana finoana nahafahany nahita sy nahafantatra fa velona, any an-danitra, Ilay Mpanavotra azy, Ilay namonjy ny fanahiny. Ary nahita lavitra kokoa noho izany aza izy : „Hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy” (jereo koa Isaia 48:12). Joba, olon’ny Testamenta Taloha, dia tsy nahalala Azy, fa isika kosa ankehitriny dia mahafantatra fa Jesosy Kristy no Ilay Mpanavotra. Tonga tetỳ an-tany Izy, nandehandeha tetỳ, ary mbola hiverina eto indray hametraka ny fanjakany (Zakaria 14:4).

Nanontany koa i Joba hoe : „Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy ?” (Joba 14:14). Izy ihany no mamaly ny fanontaniany : „Rehefa levona ny hoditro, izao simba izao”, izany dia manondro ny fahafatesana. Nefa ampiany hoe : „Afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra”, izay midika fa hitsangana velona indray izy. Ary anteriny fa ho fihaonana manokana io : „Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa” (Joba 19:27). Izany fahazoana antoka izany no nanome azy ny fahatoniana sy ny hery nilaina nahazakany ny fitsapana nianjady taminy.

(amin’ny heriny sy amin’ny tapa-bolana ny tohiny)