Alakamisy 30 Novambra 2023

Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo, sy mampitraka izay rehetra mitanondrika… Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. Salamo 145:14, 19

 

Manasitrana Jesosy

Tsara vakina : Marka 5:25-34

Tao anaty vahoaka dia nisy vehivavy iray narary efa nandritra ny 12 taona, nanatona an’i Jesosy. Nikasika mangingina ny morontongotr’akanjon’i Jesosy izy, nahazo antoka fa ho sitrana amin’izany. Nefa nijanona Jesosy. Tiany haseho miharihary io vehivavy io, izay ho naleony nitoetra tsy nisy mpahita. Nanontany ampahibemaso Jesosy hoe : „Iza izany nanendry ny lambako izany ?” Sady nangovitra ilay vehivavy no nijoro ho vavolombelona teo imason’ny olona rehetra, dia hoy Jesosy taminy : „Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao ; mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao”.

— „Anaka” : nisy fifandraisana tafapetraka teo aminy sy Jesosy.

— „Ny finoanao no nahasitrana anao” : Tian’i Jesosy hasongadina ny finoany, izay nahazo valiny mahatalanjona tao amin’Ilay nanasitrana azy. Nahazo izay nilainy ny fanahiny.

— „Mandehana soa aman-tsara” : hanohy ny lalany izy, matoky an’i Jesosy.

— „Sitràna amin’ny aretinao” : tanteraka sy tsy hiverenana intsony ny fahasitranany, satria niditra an-tsehatra tamin-kery Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra.

Eto, ny fahasitranan’ny vatana dia kisarisarin’ny fahasitranan’ny fanahy amin’ilay aretintsika tsy hay sitranina, dia ny ota. Ahoana no hahafahana amin’ny ota ? Manatòna ianao, matoky ny fahasoavan’Andriamanitra. „Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana” (Efesiana 2:8). Azo antoka ny fanafahana antsika.

Nisy olona hafa nifanerasera tamin’i Jesosy, nefa tsy nandray soa avy aminy ; fa ny finoan’ity vehivavy ity kosa dia nanetsika ny herin’ny Tompo Jesosy hiasa. Tsy manafaka ny fanahy tsy akory ny mifanerasera amin’ny Filazantsara na amina kristiana mahatoky. Rehefa mandray ny Tenin’Andriamanitra ny fo, sady mandray an’i Jesosy ho Mpamonjy, dia izay ny tena vao voavonjy ho mandrakizay.