Alarobia 29 Novambra 2023

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hebreo 13:8

Tsarovy Jesosy Kristy, Izay natsangana tamin’ny maty. 2 Timoty 2:8

 

Iray andro alohan’ny farany

Nisy haintrano nandrava trano maro tao an-tanàna, ary nahatonga fianakaviana vitsivitsy ho latsaka tanaty fahoriana lalina. Tsy fantatra ny antony nahatonga ny voina. Fa ny fantatra kosa dia hoe tsy nandeha ny paompin’ny kaominina. Nefa ny ben’ny tanàna dia nihevitra hoe tsara ny nametahana afisy milaza amin’ny fomba hentitra hoe : Iangaviana mba hodiovina ny paompy, mialoha ny haintrano tsirairay… Mazava ho azy fa mampitsiky io fahatsorana io. Fa mifanohitra amin’izany kosa, izany dia mampahatsiahy ahy ny torohevitra hendry nomena zokiolona kristiana iray, nampirisika mafy ireo tanora nihaino azy handray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy, mba ho vonona hihaona amin’Andriamanitra. - Rahoviana no tokony hiomana ? hoy ny iray tamin’izy ireo. - Iray andro alohan’ny fiafaran’ny fiainanao dia ho ampy. Nefa satria tsy misy olona afaka mahafantatra mialoha ny andro hahafatesany, dia alamino androany, izao dieny izao, io raharaha io ! Ny hoe anio, androany, dia voambolana an’Andriamanitra. Mpanota aho androany. Androany Jesosy dia te hamonjy ahy. Rahampitso ve ? Io dia voambolana maneho tsy firaikana, tsy firaharahana, zavatra mety hisy… „Tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona” (Jakoba 4:14). „Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao ; fa na dia ny havoakan’ny anio aza tsy fantatrao” (Ohabolana 27:1). Aza miandry rahampitso ! Anio dia miantso anao Jesosy. Fanomezana malalaka ny fahasoavany ; Hotsarainy ny mpikomy mandà ny famelan-keloka atolony. Miverena amin’Ilay Andriamanitra mamela heloka, dia hahita ny fahasambarana ianao. Tsy mandà an’iza na iza Andriamanitra ! Tsy Ilay Andriamanitra Mpamonjy ve Izy ?