Talata 28 Novambra 2023

Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo. Kolosiana 3:16

Mahareta amin’ny fivavahana… Mandehana amin’ny fahendrena. Kolosiana 4:2, 5

 

Fiainana kristiana mivelatra

Rehefa mino manokana an’i Jesosy Kristy sy ny sorona nataony, no mandray ny fiainana mandrakizay. Dia maniry hiaina toy ny niainan’i Kristy àry ny kristiana. Ampy ve izany mba hananana fiainana kristiana mivelatra ? Tsia ! Raha mandray zana-kazo tsara tarehy iray ianao, dia hamaky ny torolalana hikarakarana azy. Ny mpamboly dia ny Ray (Jaona 15). Ny torolalana dia ny Baiboly manontolo. Ho famintinana, dia ireto misy fampirisihana vitsivitsy :

Mamaky ny Baiboly. Ambarany antsika hoe iza moa Jesosy, Ilay Mpamonjy sy Tompontsika, Ilay modely halain-tahaka. Ahoana moa no hanatonana Azy, raha tsy mihaino Azy aloha, amin’ny famakiana ny Teniny ?

Mivavaka sy midera. Izany dia miresaka tsotra fotsiny amin’Andriamanitra, manambara aminy ny toejavatra rehetra mitranga eo amin’ny fiainantsika, ary misaotra Azy noho ireo fanomezana rehetra atolony. Amin’izany no hikolokoloana fifandraisana tena izy sy mahatretrika amin’Ilay Raintsika ao amin’i Jesosy Kristy. „Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany” (Matio 11:25). Anisan’ny fiainan’i Kristy izany.

Mifandray amina kristiana hafa. Toy ny vainafo tsy afaka mijanona ivelan’ny afo ka tsy maty, ny kristiana iray dia tsy afaka mitoetra ela tsy misy fifandraisana amin’ireo rahalahy sy anabaviny ao amin’ny finoana. „Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa” (Jaona 13:34).

Mijoro ho vavolombelona. Ny hoe manaraka ny Tompontsika dia ny miresaka an’Ilay Andriamanitsika sy ilay aim-baovao tiany homena maimaimpoana ireo izay mifanerasera amintsika.

Miaina ao amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. „Nambolena tao an-tranon’i Jehovah izy, ka maniry… Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza ; dofodofotra sy maitso izy” (Salamo 92:13-14).