Alatsinainy 27 Novambra 2023

Ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa ianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Jakoba 1:2-3

Andriamanitra… tsy mba maka fanahy olona. Jakoba 1:13

 

Fizahan-toetra ny finoana

Ao amin’ny Baiboly, ny fakam-panahy matetika dia fitsapana ny mpino. Mitranga izany isaky ny miatrika safidy manoloana làlana roa ny finoany : làlana iray mankamin’Andriamanitra, ary iray hafa hanalavitra antsika aminy. Ny fakam-panahy dia afaka tonga ihany koa ao anaty toejavatra rehetra mety hahatafiditra ireo fitsiriritantsika isan-karazany, nefa ihany koa raha isika mihitsy no te hanatanteraka fampanantenan’Andriamanitra iray. Araka izany, Jakoba dia nandainga tamin’ny rainy mba hahazo ny tsodrano nampanantenaina azy (Genesisy 27).

Ho an’ny mpino, ny fakam-panahy, voalohany indrindra dia fizahan-toetra ny finoany, fitsapana azy. Koa mba handresentsika ny fakam-panahy, dia tsy maintsy hatanjahina ny finoantsika, ary ampitomboina ny fatokiantsika an’Andriamanitra.

Ao anatin’ny fakam-panahy, ny tsiambaratelo dia ny hianteherantsika amin’izay nambaran’Andriamanitra. Jesosy dia nandresy ireo fakam-panahy naroson’ny devoly Azy, rehefa nitanisa ny Soratra Masina : „Voasoratra hoe” (Lioka 4:4). Ilay loharanon-kery lehibe iray hafa dia ny vavaka : „Mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy”, hoy Jesosy (Lioka 22:46).

Andriamanitra dia tsy mba maka fanahy an’iza na iza, izany hoe tsy Izy mihitsy no manosika antsika hanota, nefa indraindray Izy dia mitsapa ny finoantsika, mba hanatanjaka azy. Ny fiainantsika dia tsy afaka miala amin’ny fitsapan’ny fakam-panahy, satria mila izany isika matetika, mba handroso.

Aza kivy isika amin’ireny fotoana ireny, fa ndao hikatsaka ny Tompo, hiankina amin’ireo fampanantenany sy amin’ny Teniny. Mahatoky Izy, ka ho avy hanampy antsika.