Alahady 26 Novambra 2023

Mihaona ny famindrampo sy ny fahamarinana ; mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. Salamo 85:10

Fa mino isika fa ny fahasoavan’i Jesosy Tompo no hamonjena antsika. Asan’ny Apostoly 15:11

 

Ny fahasoavana sy ny fahamarinana (2)

Tsara vakina : Jaona 8:1-11

Hitantsika omaly hoe ahoana ny nanazavan’ny fahasoavana sy ny fahamarinana, tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ny fiainana vehivavy iray mampalahelo. Voaova izy, ka nanjary vavolombelona mafana fo teo amin’ireo mpiara-belona aminy, izay nandosirany fahiny.

Ity misy ohatra iray hafa, maneho ilay firindrana mahatalanjona eo amin’„ny fahasoavana sy ny fahamarinana” ao amin’i Jesosy :

— Nisy vehivavy iray tratra nijangajanga, nentina teo aminy. Ny Lalàna dia nandidy ny hitoraham-bato azy. Nanantena hahasanganehana an’i Jesosy ireo lohandohany mpitondra fivavahana. Raha manome baiko hitora-bato Izy, dia aiza ny fahasoavana ? Ary raha tsy manao izany, aiza ny fahamarinana ? aiza ireo zon’Andriamanitra ?

Jesosy dia tsy tonga mba hitsara, fa mba hamonjy (Jaona 3:17). Hoy Izy namaly : „Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”. Voakasika tao amin’ny fieritreretany izy ireo, ka nivoaka avokoa, nanomboka tamin’ireo zokinjokiny. Jesosy, Ilay hany tsy nanana ota, no tavela irery niaraka tamin’ilay vehivavy meloka. Hoy Izy : „Izaho koa tsy manameloka anao”. Saingy nampiany hoe : „Amin’izao sisa izao dia aza manota intsony”. Na oviana na oviana, ny fahasoavan’i Jesosy dia tsy mahatonga Azy tsy hiraharaha ny ota. Nefa mamela heloka Izy, satria tonga mba hamonjy.

Ankehitriny dia mbola azo hatonina ny fahasoavana sy ny fahamarinana ao amin’i Jesosy Kristy. Afaka manatona Azy ny tsirairay, araka izay maha izy azy, miantehitra amin’ny fahasoavany, ary manaiky haheno ny fahamarinana. Satria Jesosy maty teo amin’ny hazofijaliana, Andriamanitra dia mamela ny heloky ny olona rehetra mino Azy. Hanova azy ny fahasoavana sy ny fahamarinana.