Asabotsy 25 Novambra 2023

Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. Jaona 1:14

Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17

 

Ny fahasoavana sy ny fahamarinana (1)

Tsara vakina : Jaona 4:5-42

Ny fahasoavana sy ny fahamarinana dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ; hita teo amin’ny tenany sy ny fiainany ireo, ary lavorary ny fifandanjany.

Ny fahasoavana no lazaina voalohany. Hampandositra antsika mantsy ny fahamarinana irery, satria mampiharihary ny toetra maha mpanota antsika. Andriamanitra dia misarika antsika amin’ny fahasoavana, izay mampitoetra ny fatokiana sy mampahazo aina ny fo. Dia afaka miseho ny fahamarinana, satria na oviana na oviana Jesosy tsy mba manao marimaritra iraisana amin’ny fahamarinana, noho ny hoe eo ny fahasoavana.

Misy tantara roa maneho izany an-tsary :

— Nipetraka teo amorona fantsakana Jesosy, tamin’ny antoandrobenanahary. Lasa nandeha nividy hanina tany an-tanàna ny mpianany. Nisy vehivavy iray mikorontana fo, nanatona mba hantsaka. Ratsy laza izy io, ka nandositra ny fijerin’ny olona. Niresaka tan-kamoram-po taminy Jesosy, ary nangataka rano hosotroina, aloha. Rehefa nanjary natoky Azy ilay vehivavy vao niresahany ny fahamarinana momba ny fiainany lasa. Dia nanaitra fatratra ny vokatr’izany.

Izy, izay nandositra ireo mpiara-belona aminy, dia nihazakazaka nankany an-tanàna mba hilaza amin’ny rehetra hoe : „Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroa, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra ; Izao angaha no Kristy ?” Izy indray izao no mandresy lahatra azy ireo hanatona an’i Jesosy. Noho ny fijoroany ho vavolombelona, dia maro ireo nihazakazaka nanatona Azy, ary nahita tao aminy Ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Izany no vokatra mahatalanjona ateraky ny fahasoavana sy ny fahamarinana teo amin’ny fo sy fieritreretan’io vehivavy io ! Nisarika azy ny fahasoavana, ary afaka nandre ny fahamarinana izy. Hitany ny famelan-keloka sy ny fiadanana.

(rahampitso ny tohiny sady farany)