Zoma 24 Novambra 2023

Fa ny olona ho tia tena. 2 Timoty 3:2

Izy rehetra dia samy mitady ny azy avy. Filipiana 2:21

Ny Zanak’olona (Jesosy) tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy. Marka 10:45

 

Ny Izaho sy ireo fitakiany

Ny hoe „Izaho” dia teny kely, saingy manambara zavatra goavana, mifototra mafy amina andry telo antsoina hoe ny fitiavantena, ny avonavona ary ny sitrapo manokana. Ny izaho ao amin’ny hafa dia mora fantarina, ary kinga erỳ isika manameloka azy. Ry kristiana, ndao aloha hianatra hamantatra azy, isaky ny miseho ao amintsika izy : ao amin’ireo eritreritsika, ao anatin’ny fontsika, ao amin’ny fifandraisantsika ao an-tokantrano, any am-piasana, ao amin’ny fifandraisantsika amina mpino hafa. Ndao handà ireo fitakiany, mba hisolo toerana azy io ny Tompo Jesosy Kristy, ny fitiavany, ary ny zony.

Marina mibaribary ao amin’ny 2 Timoty 3:2-7 ny filazalazana ny toerana ara-toe-panahy misy ny olona, amin’izao andro farany izao. Ny toetra voalohany voalaza dia ny fitiavantena, izay loharanon’ny fironana mampalahelo rehetra tanisaina manaraka, toy ny fahihirana, ny fieboeboana, ny tsy fahaiza-mankasitraka, ny hasiaham-po, sns.

Mampalahelo aoka izany ny kristiana mampiseho matetika loatra io fitiavantena io, fa tsy mba ny fitiavan’Andriamanitra. Io fitiavana io dia tsy mihevitra momba ny tena, aloha, tsy miandry valiny na tambiny avy amin’ny hafa ! Na indray mandeha aza, ny Baiboly dia tsy mamela ahy hihevitra fa tokony hitaky porofom-pitiavana avy amin’ny namako aho. Mifanohitra amin’izany aza, fa ampirisihiny aho haneho izany aminy. Ny fitiavana dia manompo ny hafa, fa ny fitiavantena kosa dia te hotompoina.

Ao amin’i Jesosy, Ilay modely lavorary ho antsika, dia tsy ahitantsika mihitsy asa na teny baikoin’ny fitiavantena. Tsy manana anjara toerana ao aminy ny izaho. Ny mijery ny fomba fiainan’i Jesosy sy maka tahaka Azy no hany fanafana mahomby, mahasitrana ny fitiavantenako.