Alakamisy 23 Novambra 2023

Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy ; fa ny teny soa no mahafaly azy. Ny marina dia mitari-dàlana ny namany. Ohabolana 12:25-26

Izao no lazain’i Jehovah… : Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo. Amosa 5:4

 

Aza mamono tena

Tsara vakina : Asan’ny Apostoly 16:23-34

Alina ny andro. Nohidina mafy ny varavaran’ny tranomaizina nanagadrana ny evanjelista Paoly sy Silasy. Nofatorana rojo ny tongotr’ireto voafonja. Toa tsy ho afaka handositra mihitsy. Tampoka teo anefa dia nisy horohorontany mafy, hany ka nihozongozona ny fanorenan’ny tranomaizina. Tamin’io fotoana io koa dia nivoha ny varavaran’ny tranomaizina rehetra, ary nivaha ny fatoran’ireo gadra. Nifoha ilay mpiambina, taitra mafy : nandositra ny gadra, meloka izy, potika ny asany, afa-baraka izy ! Nanatsoaka ny sabany izy, nitady hamono tena.

Taonjato roapolo izay no lasa. Ary isanandro dia misy lehilahy sy vehivavy maro mamoy fo, tsy mahita lalan-kivoahana tamin’ny toejavatra manjo azy, afa-tsy ny manaisotra ny ainy. Aleo izy ireny mihaino ny antson’ny apostoly Paoly tamin’ilay mpiambina, hoe : „Aza mamono tena”.

Tsia, tsy ny sabatr’io lehilahy io tsy akory no hanafaka azy amin’ny famoizampony. Andriamanitra irery no afaka manome azy ny hery hoenti-miaina. Koa niantso mafy izy hoe : „Inona no mety hataoko, mba hovonjena aho ?” Tonga ny valiny : „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao”.

Teo no ho eo ihany izy dia nandray ny tena fanafahana. Voavonjy tamin’ny fahafatesana mandrakizay izy. Tsy nisy resaka famonoan-tena intsony ; nameno ny fony ny fiadanan’Andriamanitra. Notsaboiny ny ferin’ireo gadrany (i Paoly sy Silasy), izay noraisiny tany an-tranony. Izany dia fiantombohana fiainana vaovao tanteraka ho azy, ao amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra.

„Nampahafantatra ahy ny làlan’aina Ianao ; hampifaly ahy indrindra amin’ny tavanao” (Asan’ny Apostoly 2:28).