Alarobia 22 Novambra 2023

(Hoy Jesosy :) Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy. Jaona 14:21

Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika. Galatiana 6:9

 

Fijoroana ho vavolombelona azo inoana

Ilay zazavavy kely Israelita resahina ao amin’ny 2 Mpanjaka 5:1-5 dia nanana antony maro mitombina mba hitoetra miafinafina sy mangingina. Nesorina teo amin’ny ankohonany izy, natao sesitany, nogadraina, nandevozina, ka afaka ho feno fangidiana sy lolompo. Nefa dia tsy navelany handalo ny fotoana hanaovan-tsoa.

Nampiseho fahafoizan-tena izy : io zazavavy kely migadra io dia nanompo ny vadin’i Namàna, lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Syria, saingy boka.

Nampiseho fangorahana izy. Tsy mba nihevitra mihitsy izy hoe „Tsara izay !” ho an’ilay nitondra azy ho babo, tsy mba nitsetsetra mihitsy noho ny anjara ratsy manjo azy, fa tohina noho ny fijalian’ny hafa ary nitady izay hanampiana azy ireo. „Ary hoy io tamin’ny tompovaviny : Enga anie ka mba ao amin’ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko ! dia hahasitrana azy amin’ny habokany izy”. Ary nihaino io zazavavy kely feno fahafoizantena io ny vadin’i Namàna.

Noho ny finoany dia mbola nampiseho toetra iray hafa izy : tsy nanana fisalasalana momba ny herin’i Jehovah mba hanasitrana an’i Namàna amin’ny alalan’ilay mpaminany.

Farany, ny fahatsorany dia tsara halain-tahaka. Teny vitsy monja no nilazany ny zavatra rehetra sy nanomezany ny fomba hahasitranana.

Fahatsorana, fahazavana, finoana, fitiavana, fahafoizantena : voavory avokoa ireo singa rehetra mandrafitra fijoroana ho vavolombelona azo inoana. Omen’Andriamanitra haja ny finoan’io zazavavy kely io. Voafintina fiteny roa ny tantarany : izay nataony sy izay nolazainy. Ry kristiana, na tanora na efa nahazo taona, aoka hotadidiantsika izao : mba ho azo inoana ny fijoroantsika ho vavolombelona, dia tsy maintsy mialoha ny tenintsika ny asantsika, ary ny fiainantsika dia tokony hitaratra kely ny toetran’i Jesosy Kristy Tompontsika.