Talata 21 Novambra 2023

(Hoy Jesosy :) Omeo, dia mba homena ianareo ; fatra tsara sady ahintsana no afatratra, ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Lioka 6:38

Andriamanitry ny fampiononana rehetra… mampionona anay… mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa. 2 Korintiana 1:3-4

 

Manomeza, dia mba homena ianareo

Nisy mpanoratra kristiana iray nilaza hoe : „Raha te hihazona ireo fitahiana avy any ambony isika, dia tokony hizara izany. Raha mitsahatra tsy manome intsony isika, dia hitsahatra tsy hanana intsony”. Raha tsy mampiasa izay ananantsika isika, dia hamoy izany amin’ny farany.

Ny Tompo dia afaka mampandalo ny olony amina toejavatra mahareraka, mba hahafantaran’izy ireo fa ampy amin’ny zavatra rehetra ny fahasoavany. Dia ho afaka hanampy bebe kokoa ny hafa izy ireo.

Ao anatin’ny fitsapana, ny mpino dia mahita toetra sasantsasany ananan’ny Tompo. Mianatra izy hahafantatra an’Andriamanitra ho Ilay „Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra” (2 Korintiana 1:3). Raha tsapany ny fampiononan’ny Tompo, dia miteraka fankasitrahana sy fiderana. Toy ny rano mahatsara izany, mikoriana mankamin’ireo izay mila azy. Araka izany, ny mpino ampaherezin’ny Tompo dia manjary mahay mampahery ireo izay mijaly (andinin-tSoratra Masina faharoa androany).

Rehefa omen’Andriamanitra fampiononana sy fifaliana isika, na omeny tsiny koa aza, dia tokony hihevitra izany ho tombontsoa hozaraina. Tsy fiainana an’olon-drery fotsiny mantsy ny fiainana kristiana, fa fiainana iombonana amin’ny hafa ihany koa, iainana ao anaty fitiavana sy fahamarinana. Tombontsoa sy fampaherezana lehibe ho an’ny tsirairay ny mizara amina mpino hafa ireo zava-niainana afaka nataontsika niaraka tamin’Ilay Andriamanitsika, na izay nianarantsika taminy.