Alatsinainy 20 Novambra 2023

(Hoy Jesosy tamin’ny apostoly Paoly :)… Amin’ny olona Israely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, hampahiratra ny masony hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka. Asan’ny Apostoly 26:17-18

 

Fiovam-pihetsika maharitra

Nanomboka ny famelabelaran-keviny ity manam-pahaizana iray momba ny rafi-koza-tatitra (neurologie), hoe : „Inona no entin’ny siansa ara-rafi-koza-tatitra ho fanoitra, hahatonga fiovam-pihetsika maharitra ao amin’ny olombelona ?… Mbola tsy nibahana mafy tao an-tsaina mihitsy, toy ny ankehitriny, ny hoe tena ilaina miova haingana sy lalina ny fiarahamonina… Ireo fihetsika anefa no ilay antony lehibe mametra mandrakariva ny fiarahamonina tsy ho irina kokoa, ara-drariny kokoa, maharitra kokoa.”

Marary izao tontolo izao, amin’ny lafiny ara-toekarena, ara-piarahamonina, ara-tontolo iainana, ara-toe-panahy, ara-pahasalamana… Miandrandra olombelona hafa noho izay efa misy isika, olombelona marina kokoa, kely fitiavantena kokoa, kely herisetra kokoa ; nefa ny mifamadika amin’izany no hitantsika.

Ambaran’ny Baiboly antsika fa ny olombelona dia tsy afaka manova ny toetrany, na ny an’olon-kafa. Nefa izay tsy hain’ny olona hatao dia hain’Andriamanitra. Taominy isika hiova fihetsika, izany hoe hibebaka, raha lazaina marimarina kokoa. „Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo” (Asan’ny Apostoly 3:19). Mila miverin-dalana isika, eo amin’ny fomba fisaina sy fiaina. Tokony ho tonga saina isika ny amin’ny toetrantsika meloka eo anatrehan’Andriamanitra, noho ireo fahadisoantsika. Tsy maintsy ialantsika ny fandavana an’i Kristy, na ny tsy firaharahana tsotra fotsiny izao, ka miova hino Azy isika, mino fa maty Izy noho ireo fahotantsika ary nitsangana velona indray. „Ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao” (1 Jaona 4:14). Izay mino dia omen’Andriamanitra toetra vaovao afaka mivelona sy miasa, toetra manome voninahitra Azy, ho amina fahasambarana maharitra, eny, maharitra mandrakizay mihitsy aza.