Alahady 19 Novambra 2023

Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8

Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika. 1 Jaona 3:16

 

Ny fitiavan’Andriamanitra

Ny loharanony dia ao anatin’ny fon’Andriamanitra. Avy ao no nahitany antony itiavany antsika. Tiany isika, tsy hoe satria mendrika izany, fa satria Izy dia fitiavana ; toetrany mihitsy ny mitia (1 Jaona 4:8, 16).

Ny tanjony dia ny Zanany Lahitokana, aloha. Hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay, „ny Ray [dia] tia ny Zanaka” (Jaona 5:20). Ary Izy dia tia ny zavaboariny rehetra ihany koa. Ireo dia ianao, izaho ; ny olombelona rehetra, anisan’izany ireo izay meloka indrindra. Andriamanitra, Izay masina, dia mankahala ny ota, nefa Izy dia fitiavana ihany koa, mitia tsy misy fepetra. Te hamindra fo Izy, tsy misy tambiny mihitsy, te hamindra fo amin’izay miaiky ny fahadisoany sy mibebaka.

Ny sehatra ivelarany dia ny zanak’olombelona rehetra. „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

Nefa dia misy miteny hoe : „Raha tia ny olona ve Andriamanitra, dia hamela fahoriana sy tsy fahamarinana marobe toy izao hitranga ?” Ny nipoiran’ireny anefa dia ny tsy fankatoavan’ny olona ny sitrapon’Andriamanitra. Eny, tsy miankina amin’Andriamanitra ny fiainan’ny zanak’olombelona, ka mitarika azy ho amin’ny faharavana, ny fijaliana ary ny fahafatesana.

Ny fitiavan’Andriamanitra kosa dia mitoetra, ary tsy misy sakantsakana ; mifanohitra amin’izany aza, fa te hivelatra amin’ny olona rehetra io fitiavany io. Ny mpanota lehibe indrindra dia omen’Andriamanitra famotsoran-keloka, raha manatona ny hazofijaliana. Teo Jesosy, Ilay Zanaka malalan’Andriamanitra, no nitondra ny famaizana sahaza ny fahotantsika. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia mirotsaka amin’izay rehetra mino Azy. Ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy mety ritra. Jesosy dia mbola mitaona hanatona Azy, hoe : „Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro” (Jaona 7:37).