Asabotsy 18 Novambra 2023

Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra… ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:16-17

 

Ny fiverenan’i Jesosy Kristy

Jesosy mihitsy no nampanantena izany an’ireo mpianany, hoe : „Ho avy indray [Aho] ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:3).

Efa ho roa arivo taona no lasa hatramin’izay, nefa famantarana maro no mampiseho fa efa akaiky io fiverenany io. Tsy misy daty ao amin’ny Baiboly, tsy misy fe-potoana voatondro, izany dia mba handrisihana ny fitiavan’ny kristiana, sy hitaomana azy ireo hiandry ny Tompo amin’ny fotoana rehetra. Izy tenany dia mamerimberina ao amin’ny Apokalypsy hoe : „Avy faingana Aho” (3:11 ; 22:7, 12, 20).

Nefa ny fahatsinjovana ny fiverenan’i Jesosy tsy ho ela dia tokony hisy ihany koa akony azo tsapain-tanana eo amin’ny fiainan’ireo izay mahazo antoka fa handeha hitsena Azy :

— Ny fiandrasana ny Tompo dia mampihataka ny kristiana amin’izao tontolo izao, ary mahatonga azy ho mpivahiny etỳ an-tany. Ny tena tranony dia any an-danitra, ka tsy maintsy vonona hody any izy. Izay ataony, izay lazainy, dia tokony ho afaka ankasitrahin’ny Tompo rehefa miverina Izy. Koa hiezaka hanana fiainana masina izy : „Izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany, mba hadio tahaka Azy” (1 Jaona 3:3).

— Ny fiandrasana ny Tompo dia mampionona ny kristiana, rehefa misy havany modimandry mba ho any akaikin’i Jesosy. Fantany fa amin’io fiverenany io, ireo „izay maty ao amin’ny Kristy no hitsangana, aloha” ary hangonina hiaraka amin’ireo mpino mbola velona.

— Ny fiandrasana ny Tompo dia mandrisika ihany koa ny mpino hampitandrina ireo olona fantany, mba hiomanan’izy ireo koa ho amin’ny fiverenany. „Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany ; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9).