Zoma 17 Novambra 2023

Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Jaona 3:17

(Hoy Jesosy :) Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy. Jaona 12:46

 

Lalana eto amin’izao tontolo izao

Ny zava-tsarotra lalovan’izao tontolo ankehitriny izao dia matetika vokatry ny fitiavantena. Tafalentika ao anaty fifandirana, ady, fahoriana maro, ny mponina amin’ny faritra sasantsasany eto amin’izao tontolo izao, ka matin’ny mosary, nefa ny fihinanana tafahoatra ataon’ny hafa dia mivaona ho fandanilaniam-poana. Miharatsy kokoa hatrany ireo tsy fandehanana araka ny tokony ho izy ireo, ary toa tsy afaka ahitsy. Asehon’ny Baiboly antsika fa ny toetran’ny fon’ny olona, fo „mamitaka… sady… tsy azo sitranina” (Jeremia 17:9), no loharanon’ireo. Araka izany, matetika dia matetika no mifanohitra amin’ny lamina napetrak’Andriamanitra ny fivoaran’ny fiarahamonina, ny fandrosoana na firoson’ireo fihevitra, ny fanalalahana ny fomba fiaina sy ireo lalàna.

Nofoanana ny tebo-kevitra hoe misy Andriamanitra Mpahary ; avy eo dia noravana ny lamina napetrak’Andriamanitra : fifandraisan’ny lahy sy ny vavy, fanambadiana, ankohonana… Ny mpino te hiaina araka ny fihevitr’Andriamanitra dia mifanehatra amin’ny zavamisy hoe ny zava-mahafinaritra ny olona no mibaiko ny pôlitika ankehitriny, fa tsy izay mahafaly an’Andriamanitra.

Jesosy Kristy dia tonga teto amin’ity tontolo feno fahalovana ity. Lehilahy nankatò tanteraka an’Andriamanitra Izy, nanokatra lalana ho an’ny olona very, mba hampahafantatra azy Ilay Andriamanitra Rainy. „Izaho (hoy Izy) no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6). Izy dia nailika sy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, satria nilaza ny marina. Nefa tamin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany velona indray Izy dia nanolotra ny fiainana mandrakizay ho an’izay miaiky fa ny fony dia „mamitaka… sady… tsy azo sitranina”. Dieny ankehitriny Izy dia manome famelan-keloka feno, ny fiadanany, ary ny hery hahavelomana ho Azy, hery manoha riana ny fihevitr’izao tontolo izao.