Alakamisy 16 Novambra 2023

Ny Tompo niteny tamin’i Paoly tamin’ny fahitana nony alina, ka nanao hoe : Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina ; fa Izaho momba anao. Asan’ny Apostoly 18:9-10

Indro (hoy Jesosy), Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Matio 28:20

 

Ankehitriny aho manana Namana (2)

„Ny fanafahana voalohany niainako, taorianan’ny nitodihako tamin’i Jesosy, dia izaho tsy nahatsapa tena intsony ho meloka. Nanomboka teo aho, ary nomban’ny fanampiany, dia nandray fanapahan-kevitra ary naha tanteraka azy ireny. Niteny tamin’ny Tompo aho hoe tsy hifoka sigara intsony, ary nangataka Azy mba hanampy ahy : dia nataony izany, ka tsy nifoka intsony aho. Mbola te hifoka ihany aho, nefa rehefa alaim-panahy dia mangataka an’i Jesosy hanampy ahy, ary omeny hery hahatohitra. Toy izany koa, mbola mandalo fotoana maha rera-tsaina aho, nefa hafa tsy toy ny teo aloha no iainako izany : napetrako teo ampelatanan’ny Tompoko izany rehetra izany, dia fenoiny fiadanana aho !

Na dia mandalo tafiotra aza aho, dia manana Namana eo anilako, manohana ahy. Io namana io dia Jesosy. Izy dia mampiaina ahy tranga mampianatra zavatra momba Azy sy momba ahy… Mampangirifiry izany indraindray, nefa na amin’ireo andro toa tsy ahazakako na inona na inona aza, dia eo hatrany Izy.

Ny manampy ahy betsaka ihany koa, dia izaho voahodidina kristiana mahitsy fo, tsy hoe kristiana lavorary tsy akory, fa namana mahay manampy sy mitia ahy ! Ny ankohonan’Andriamanitra no anisan’ny fanomezana tsara indrindra azoko, izaho izay somary nitokantokana ihany. Tena zava-dehibe ny miaraka amina kristiana hafa ! mba hivavaka amin’Andriamanitra, hidera Azy, hihaino ny Teniny, na dia tsy mahatsapa ho mila izany aza, na manana zavatra hafa hatao. Niaraka tamin’izy ireny aho dia nianatra zavatra maro, eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ny lafiny maha olona, ary mbola mianatra hatrany ! Mahazo tanjaka sy fampaherezana aho ao amin’ny Tompo Jesosy Mpamonjiko.”

Nathalie