Alarobia 15 Novambra 2023

Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra ! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa. Isaia 45:22

Jesosy nitory ny filazantsaran’Andriamanitra ka nanao hoe : Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo, ka minoa ny filazantsara. Marka 1:14-15

 

Fiverenan-dalana (1)

„Teraka tao anaty ankohonana kristiana aho, nefa tany alohan’ny volana oktobra 2004 dia niaka-nidina hatrany ny fiarahako amin’Andriamanitra. Niezaka aho hameno ny banga tao anatiko tamin’ny zava-pisotro mahamamo, ny sigara, ary zavatra hafa…

Fantatro ireo tantara ao amin’ny Baiboly, ary ninoako, saingy… teny lavitra teny. Indraindray aho voatohina ihany, nefa rehefa mivoaka ny fiangonana aho, dia tototr’ireo fanahiana momba ny fiainana ilay teny tsara vao azoko tao am-poko. Koa isaky ny miverina any am-piangonana aho, nefa ny fiainako „etsy andaniny” tsy tsara, dia mahatsiaro tena ho meloka ary mahatsapa toy ny hoe fantatry ny olona rehetra izany. Koa nataoko saika amin’ny fotoana rehetra izay tsy hifaneraserako amin’ireo namako kristiana.

Nanomboka nihevitra aho fa natao ho an’ny hafa ny fitahian’Andriamanitra… Nefa indray andro, tsy fantatro hoe nahoana no nanjary nisy dikany manan-danja indrindra ho ahy, tamin’io alahady io, fa tsy alahady hafa, ny teny reko isaky ny alahady nandritra ny folo taona. Nataon’ny Tompo tsapako tao anatin’ny foko lalina fa tsy araka izay nilany Azy aho, ary teo an-dalana hanapotika ny tenako. Tamin’io indray mandeha io dia fantatro fa io no fotoana tokony tena hiverenako lalana, mba hanova ny fiainako. Io fiverenan-dalana io (antsoina hoe „fiovam-po”), izay nanova ny fiainan’olona maro hafa, dia mba tokony hataoko ! Koa dia nitodika tsotra fotsiny tamin’ny Tompo Jesosy aho, ary nanambara taminy izay rehetra tsapako. Namela ny heloko Izy, tao anaty ranomaso sy tao anaty fandinihan-tena maro.”

(rahampitso ny tohiny sady farany)