Talata 14 Novambra 2023

Mahay ny zavatra rehetra aho, ao amin’Ilay mampahery ahy. Filipiana 4:13

Mampahatanjaka ny reraka Izy (Ilay Andriamanitra mandrakizay), ary izay kely hery dia omeny hery be. Isaia 40:29

 

Fampaherezana avy amin’Andriamanitra

Tratran’ny aretina mafy i G. Silwood, mpitoriteny tany Angletera, ka nijanona teo am-pandriana nandritra ny taona maro. Tany amin’ny faramparan’ny fiainany dia mafy be ny fanaintainany, nefa nozakainy tam-paharetana lehibe sy nomban’ny fanampian’Andriamanitra.

Nisy olona iray tsy mino ny fisian’Andriamanitra, nandefa lahatsoratra nosoratany taminy, mitondra ny lohateny hoe : Iza moa Jesosy ? Novalian’i Silwood hoe :

„Tsy manan-kery aho hamaliana izay rehetra lazainao ao anatin’ny lahatsoratrao momba ny Tompo Jesosy —ary raha ny marina, izaho dia tsy afaka hamaly tsara ny fanontaniana hoe : Iza moa Jesosy ? Nefa, na dia voahazon’ny aretina eto am-pandriana aza aho, dia afaka milaza aminao hoe iza Izy, amiko.

Isanandro aho dia miaina ny fampaherezany, fanampiany ary fiarovany ahy, amin’ireo fanahiako rehetra sy ireo fangirifiriako, izay tsy ho zakako raha tsy eo Izy. Mandritra ireo alina tsy ahitako tory sy ireo tontolo andro mampanaintaina, dia eo anilako mandrakariva ny Mpamonjiko, noho ny fitiavany. Fony mbola salama sy navitrika aho, dia nahatakatra fa Izy tokoa Ilay nolazainy momba ny tenany. Ary ankehitriny, ato anatin’ny aretina sy ny fahosana, dia iainako tokoa ny maha Olona tena izy sy velona Azy.

Afaka mametraka fanontaniana aminao ve aho, ho valin’ilay napetrakao ? Ianao ve, toa ahy, efa mba teo am-bavaravaran’ny mandrakizay ? Raha eny, nahita fampaherezana, fifaliana ary fitsaharana ve ianao, ao anatin’ny tsy finoanao, toy ny ananako izany ankehitriny, ao amin’ny Tompo Jesosy ? Tsy haiko ambara amina teny ny maha Izy Azy, ho ahy, eto amin’izao toerana misy ahy izao. Na dia manoloana ny fahafatesana aza aho, dia miadana sy sambatra. Afaka miteny izany koa ve ianao, momba anao ?”