Alatsinainy 13 Novambra 2023

Ary hoy Jesosy taminy : Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza ? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe : Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Matio 16:15-16

 

Iza moa Jesosy Kristy ? (2)

Izao no nambaran’olona nahita an’i Jesosy ary nino Azy :

— Simeona, lehilahy efa antitra, rehefa nitrotro an’i Jesosy Zaza teny an-tsandriny, dia nilaza hoe : „Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra” (Lioka 2:30-31).

— Jaona Mpanao batisa : „Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao !” (Jaona 1:29).

— Andrea, rahalahin’i Petera : „Efa nahita ny Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika, ny Kristy)” (Jaona 1:41)

— Ilay vehivavy Samaritana : „Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroa, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra ; Izao angaha no Kristy ?” (Jaona 4:29).

— Petera : „Tompo ô… Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra” (Jaona 6:68-69).

— Jamba iray nositranin’i Jesosy : „Mpaminany Izy” (Jaona 9:17). Tatỳ aoriana dia nanontany azy Jesosy hoe : „Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ?” Hoy izy namaly : „Tompoko, mino aho”. Dia niankohoka teo anatrehany izy (and 36-38).

— Ilay kapiteny romana, teo akaikin’ny hazofijalian’i Jesosy : „Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io” (Lioka 23:47). „Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io” (Marka 15:39).

— Tomasy, nanoloana an’i Jesosy nitsangana velona indray : „Tompoko sy Andriamanitro” (Jaona 20:28).

Nandritra ny fiainan’ny Tompo, dia olona maro no nahatakatra fa avy amin’Andriamanitra tokoa Izy. Ary taorianan’ny nahafatesany, dia maro ny mbola nanaiky Azy ho Mpamonjiny sy Tompony. Mba efa nanao izany ve ianao ?