Alahady 12 Novambra 2023

(Hoy Jesosy :) Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino no manana fiainana mandrakizay. Izaho no mofon’aina. Jaona 6:47-48

 

Iza moa Jesosy Kristy ? (1)

Izao no nambaran’olona nahita an’i Jesosy, nefa tsy nino fa Izy no Ilay Mesia :

— „Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra (hetra ho an’ny Romana) sy ny mpanota” (Matio 11:19). Nefa rehefa niteny izany ireo olona ireo, dia niaiky fa tian’i Jesosy ny olona rehetra, eny, fa na ireo nolazaina ho mpanota aza !

— „Efa very saina Izy” (Marka 3:21). Maro tamin’ireo olona akaiky Azy no nilaza Azy ho izany, nefa nanambara ihany koa fa tena nanompo tanteraka an’Andriamanitra Izy, mba hitory ny Filazantsara tan-kavitrihana fatratra.

— „Hoy ny sasany : Tsara fanahy Izy ; fa hoy kosa ny sasany : Tsia, fa mamitaka ny vahoaka Izy” (Jaona 7:12). Mandraka ankehitriny dia mbola tsy mifanara-kevitra momba ny aminy ny olona. Izany ve tsy tokony hanosika azy ireo hihaino tsara izay lazain’ny Baiboly ?

— „Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao”, hoy ireo nitondra Azy teo amin’i Pilato governora (Jaona 18:30). Nefa dia impito Jesosy no nambara fa tsy nanan-tsiny : intelo, araka ny nolazain’i Pilato ; indray mandeha avy, araka ny vadin’i Pilato, i Heroda, ilay kapiteny romana, ary ilay jiolahy nohomboana teo anilan’i Jesosy. Jesosy no Ilay Olona lavorary, tsy nanana ota ! Izy irery ihany no afaka namonjy antsika.

— „Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy” (Jaona 19:19). Izany soratra izany dia napetaka teo amin’ny hazofijaliana, ho fanompana ny Jiosy. Nefa tatỳ aoriana ireo mpianatra dia nanondro ny Tompo tamin’ny fiteny hoe „Jesosy avy any Nazareta”, „lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo” (Asan’ny Apostoly 2:22).

(rahampitso ny tohiny sady farany)