Asabotsy 11 Novambra 2023

Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory. 1 Tesaloniana 5:9-10

 

Fanaitra mampiomana

Ny mpahay siansa sasantsasany dia mihevitra fa misy faharinganana lehibe mananontanona ny karazan-javamananaina. Izany dia heveriny fa avy amin’ny ataon’ny olombelona, indrindra ny fandotoana ny rivotra iainana sy ny fikorontanan’ny toetrandro. Misy manam-pahaizana hafa kosa mahita fa tafahoatra ny tebitebintsika noho ny fiovan’ny toetrandro, izay lazain’izy ireo fa avy amina antony voajanahary. Koa inona àry izany no tena loza manambana ny zanak’olombelona ?

Ny Baiboly dia milaza amintsika fa tsy ireny fisehoan-javatra ireny no maha tandindomin-doza ny planeta, fa ny fitondrantena ara-toe-panahin’ny olona. Jesosy Kristy dia niresaka ny Safodrano ho toejavatra nanampoka sy nahalevona tontolo tsy niraika sy tsy nino, afa-tsy i Noa sy ny ankohonany. Nampian’i Jesosy hoe ho toy izany koa any am-parany (Matio 24:38-39). Ho an’ny sasantsasany dia tantara-na tranga toa sarotra ekena ho nisy io io resahin’ny Tompo io. Fa Andriamanitra kosa dia nanambara izany sy nampanoratra azy ao anaty Baiboly : „Sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa” (Isaia 46:11). Izany dia fampitandremana ho antsika miaina ao anaty fiarahamonina mitovy amin’ny an’ny mponina teto an-tany tamin’ny andron’i Noa, mponina tsy miraharaha, vetaveta, ary mitondra tena tsy araka an’Andriamanitra.

Ny apostoly Petera dia maneho ny Safodrano hoe fitsaran’Andriamanitra izao tontolo mandà Azy izao. Ireo nino an’Andriamanitra ihany no notsimbinina (2 Petera 2:5). Mampandre antsika Andriamanitra hoe hitombo aoka izany ny ratsy ao amin’ny fiarahamonina misy antsika, hany ka ho voatery Izy hamarana azy. Noho ny fahari-pony lehibe, Andriamanitra dia mbola miandry olona hitodika aminy, alohan’ny hitsarany izao tontolo izao. Tiany hovonjena ny olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina (1 Timoty 2:4).